Asabotsy 3 Febroary 2024
Noho ny anaranao, Jehovah ô, dia mamelà ny heloko, fa lehibe izany. Salamo 25:11
Fa Ianao, Tompo ô, no tsara sady mamela heloka ary be famindrampo amin’izay rehetra miantso Anao. Salamo 86:5
„Indray andro aho dia nahamarika bokikely mitondra ny lohateny hoe „Taratasy ho anao”, tao anatin’ny fanariam-pako. Noraisiko ilay izy, satria liana aho. Akory moa ny hagagako nony tafajanona teo amin’ny soratra hoe „Fitsarana sy fanamelohana” ny masoko ! Nanomboka namaky aho : „Fantatr’Andriamanitra ny ratsy rehetra nataonao ; ary tsy ny zavatra natao ihany no isainy, fa ny eritreri-dratsy koa. Noho ny fahotanao rehetra dia voaheloka higadra ianao”. Teo am-pamakiana izany aho dia feno ranomaso ny masoko, ary nisy tahotra tsy hay hazavaina tsapako, satria marina avokoa ny rehetra nolazain’io bokikely io.
Nanomboka tamin’izay, tao anatin’ny rindrin’izao fonja izao, dia nandinika ny fiainako aho ary tonga tamin’ny fehinkevitra hoe : mbola tsy nanao zavatra tsara tamin’iza na iza mihitsy aho. Izany, ry namana malala, no antony anoratako aminao ity taratasy ity, an-dranomaso, mba hametrahako aminao ny fanontaniana hoe : Andriamanitra ve hamela heloka ny mpanota lehibe indrindra ? Satria aho manao ny tenako ho io mpanota io… Afaka hamela heloka ahy ve Andriamanitra ? Notsaraina aho noho ny hosoka, ka noho io heloka io dia very olom-pantatra, namana, ary zavatra rehetra… Kely foana no tsy namonoako tena…
Hatramin’ny naharaisako ny taratasinao aho dia mamaky azy io andro aman’alina, mba ho raikitra ato anatiko ny teninao rehetra. Nangataka famelan-keloka tamin’Andriamanitra aho, noho ny fahotako rehetra. Tsara Andriamanitra, ary izaho tena ratsy, mahatsapa ho tsy mendrika ny hanonona ny Anarany…
Namaky ny taratasinao koa ny vadiko, ary samy nangataka famelan-keloka tamin’Andriamanitra izahay, noho ireo fahotanay. Ankehitriny izahay dia mandinika ny Baiboly mba hahatakaranay ny lalana marina.”