Alahady 4 Febroary 2024

Tsy izaho intsony no velona, fa Kristy no velona ato anatiko ; fa izay ivelomako ankehitriny… dia ivelomako amin’ny finoana ny Zanak’Andriamanitra, Izay efa tia ahy ka nanolotra ny tenany hamonjy ahy. Galatiana 2:20

 

Ny hazofijaliana, toeram-pihaonana sady sisin-tany

Teo amin’ny hazofijaliana nahafatesan’i Jesosy no nihaonanay : izaho, nitondra ireo fahotako, ary Andriamanitra, Izay marina sy masina, teo mba hanafay izany. Nitodika tamiko Jesosy, nandray teo amin’ny tenany ireo fahadisoako. Avy eo Izy dia nitodika tamin’Andriamanitra, ka nizaka avy aminy ny famaizana sahaza ahy. Voaheloka Izy, nisolo toerana ahy, ary noho ny fahafatesany dia voavonjy aho. Ny hazofijaliana no nampihavana ahy amin’Andriamanitra. Ny hazofijaliana dia napetraka ihany koa eo anelanelan’ny kristiana sy izao tontolo mandà an’Andriamanitra izao. Eo anilan’i Jesosy aho dia afaka manaiky ny faniratsiran’io tontolo io. Izao tontolo izao, izay toa manintona erỳ, dia hitako araka ny nisehoany rehefa nanombo ny Tompo teo amin’ny hazofijaliana. Tsy niova ny fiteniny : „Tsy manaiky hanjakan’iny lehilahy iny izahay” (Lioka 19:14). „Ento, ento, homboy amin’ny hazofijaliana Izy” (Jaona 19:15). Mitoetra ho ilay izy hatramin’izay izao tontolo izao, dia ilay izy fahavalon’Andriamanitra. Raha toa aho manantena ny hankasitrahan’izao tontolo izao ahy, dia mbola tsy tena mahazo ny dikan’ny fiainana maha kristiana ahy. Araka izany, ny hazofijalian’i Jesosy dia mitondra izao vokatra roa sosona izao : mampihavana ahy amin’Andriamanitra, sy mampisaraka ahy amin’izao tontolo tsy mila Azy izao. „Fa sanatria raha mba misy hataoko rehareha, afa-tsy ny hazofijalian’i Jesosy Kristy Tompontsika, Izay naha-voahombo izao tontolo izao tamin’ny hazofijaliana, raha ny amiko, ary izaho kosa, raha ny amin’izao tontolo izao” (Galatiana 6:14). Tonga avy any an-danitra Ianao, nanolo-tena ho sorona, Ary tamin’ny alalanao irery no nanomezam-boninahitra an’Andriamanitra : Ny fahamasinany, ny fitiavany, ny fahamarinany, Izany rehetra izany, ry Jesosy, dia nankalazain’ny hazofijalianao.