Alatsinainy 5 Febroary 2024
Jesosy Kristy… Izay nohomboanareo tamin’ny hazofijaliana, fa natsangan’Andriamanitra tamin’ny maty… Tsy misy famonjena amin’ny hafa. Asan’ny Apostoly 4:10, 12
Noho ny valan’aretina mandoza Covid-19 niantomboka tamin’ny taona 2019, ireo mpitsabo mahay indrindra, mpanao pôlitika, mpahay fiarahamonina, mpahay toekarena ary manampahaizana manokana maro dia nikaroka ny loharano niavian’ny tsimokaretina, ny fanafodiny, ny fomba tsara indrindra tsy hifindrany. Samy hafa ny hevitra nolazain’izy rehetra, saingy niray hevitra izy ireo nanambara fa „tsy misy na inona na inona ho toy ny teo aloha intsony”.
Io valan’aretina io dia nisy akony teo amin’ny fomba fiaina, ny fomba fisaina, teo amin’ny fiainantsika tsirairay manokana, ary koa teo amin’ny fitambaramben’ny fiarahamonina. Na izany aza anefa, izao toejavatra nanamarika mafy antsika izao, dia mety hanjary datin’andro fotsiny ao amin’ireo boky tantara, toy ilay tsunami tamin’ny taona 2004, ny gripa espaniola tamin’ny taona 1918, ny ady lehibe roa, na ny pesta mainty tamin’ny Vaninandro antenatenany.
Nefa kosa azo antoka fa fantatrao ilay zava-nitranga lehibe indrindra teo amin’ny tantaran’izao tontolo izao, zava-nitranga afaka nolazaina hoe : Tsy misy na inona na inona ho toy ny teo aloha intsony. Tsia, tsy anisan’irony zava-doza nahatsiravina nahafatesana olona marobe irony tsy akory izany !
Mifanohitra tanteraka amin’izany aza, fa zava-nitranga nanome ny fiainana mandrakizay sy ny fahasambarana ho ana olombelona an-tapitrisany, saingy nisy sarany tsy taka-bidy nefain’Andriamanitra. Io dia ny nahafatesan’i Jesosy Kristy sy ny nitsanganany velona indray tamim-boninahitra. Dia niova ny zavatra rehetra, hatreo. Voaravona ny olana momba ny ota, resy ny fahafatesana. Ho an’ireo izay nino izany, ho anao izay mino ny asa fanavotan’i Jesosy, ho ahy, dia tsy misy na inona na inona ho toy ny teo aloha intsony, satria isika tafafindra avy tamin’ny fahafatesana ho amin’ny fiainana mandrakizay.