Talata 6 Febroary 2024

Jesosy nandre fa efa noroahiny ralehilahy ; ary rehefa nahita azy Izy, dia nanao hoe : Mino ny Zanak’Andriamanitra va ianao ? Ralehilahy namaly ka nanao hoe : Iza moa no Izy, Tompoko, mba hinoako Azy ? Jaona 9:35-36

… Ny fahamarinana izay ao amin’i Jesosy. Efesiana 4:21

 

Ilay „kristiana” avy any Bangladesh (1)

„Tamin’ny taona 1969 aho dia fito ambinifolo taona. Ny raiko dia imam (lohany ara-pivavahana silamo), taranaka mponina avy any Afghanistan nankany Bengale, nampiditra ny fivavahana silamo tany. Nametrahako fanontaniana maro ireo mpampianatra ahy tao amin’ny madrasa (sekoly silamo), saingy tsy nahavaly izany ka tezitra. Mba hanesoan’ny iray amin’izy ireo ahy, dia nantsoiny hoe „ilay kristiana” aho. Satria aho tsy nahazo an-tsaina na kely akory aza ny hevitr’izany, dia nandeha nihaona tamina misionera iray, izay namaly ireo fanontaniako. Tamin’izany no nahafantarako hoe iza moa Jesosy sy izay nataony ho antsika. Fotoana fohy taorianan’izany aho dia nanolotra ny fiainako ho an’i Kristy.

Rehefa nody tany an-trano aho, dia nitantara ny zavatra rehetra tamin’ny raiko. Teo no ho eo ihany aho dia noroahiny, tsy navelany haka fitafiana vitsivitsy akory. Nailiky ny fianakaviako aho, ary noverezin’ny raiko tsy handova. Nandeha tany Dacca (renivohitr’i Bangladesh) aho, nefa tsy nanana na inona na inona… Tamin’ny taona 1972, niaina teny an-dalambe aho no nifanena tamina misionera iray hafa. Nasainy aho hiara-mandinika ny Baiboly aminy, ary noraisiny an-tanana nandritra ny sivy volana, mba hampianariny ao amin’ny finoana. Avy eo aho dia nasainy nody tany aminay, mba hitory ny Filazantsara amin’ny fianakaviako. Koa dia niverina nianavaratra indray aho, ary nankany amina fiangonana kristiana iray, izay saika olona avy amina foko noroahin’ny Bengalis niala tamin’ny taniny avokoa no tao. Izaho dia Bengali koa ary avy tamina fivavahana silamo, ka nahatakatra ny fihafahafana mbola afaka ho ao amin’ireo mpino ireo momba ahy, na dia efa mpirahalahy aza izahay ankehitriny. Tamin’izany fotoana izany aho dia nanangana vondrona fianarana Baiboly isa-maraina amin’ny 6 ora.”

(rahampitso ny tohiny)