Alarobia 7 Febroary 2024

Modia ihany any an-tranonao ho any amin’ny havanao, ka lazao aminy izay zavatra lehibe nataon’ny Tompo taminao sy ny namindrany fo taminao. Marka 5:19

Izay mamafy am-pitomaniana dia hijinja am-pifaliana. Salamo 126:5

 

Ilay „kristiana” avy any Bangladesh (2)

„Tamin’ny taona 1976 dia nanatona ahy ny iray tamin’ireo misioneran’ny fiangonana teo an-toerana, niteny tamiko hoe : „Ireto, tovolahy enina tonga avy any an-tanànany. Silamo avokoa izy ireo, ary te hahafantatra izay tokony hatao mba ho voavonjy. Ianao dia mahatakatra ny silamo, koa miresaha amin’ireo tanora ireo, ary ezaho fantarina raha matotra izy ireo na tsia.”

Koa dia nandany adiny roa na telo aho niresaka tamin’izy ireo, ary nahatsapa fa mahafantatra an’i Jesosy izy ireo. Nahazo boky kristiana vitsivitsy izy ireo, namaky izany, dia nino an’i Jesosy.

Hatreo moa dia mbola tsy namokatra firy ny zava-niainako momba ny fiangonana, amin’ny maha mpino avy tamin’ny fivavahana silamo ahy. Nirin’ny kristiana ho tonga amin’ny finoana ny silamo, nefa misy ihany fihafahafana sasantsasany mbola mitoetra.

Ka hoy aho tamin’ireo tovolahy silamo ireo : „Hitako fa ao am-ponareo Jesosy. Modia any aminareo, nefa aza mitonona ho kristiana ianareo. Hahafantatra izany tsy ho ela ny ray aman-dreninareo, rehefa mahita ny fiovan’ny fiainanareo. Rehefa manomboka mametraka fanontaniana aminareo izy ireo, dia resaho aminy ny momba an’i Jesosy.”

Rehefa lasa izy ireo, dia notantaraiko tamin’ilay misionera ny zava-nitranga. Sorena mafy izy satria nihevitra fa navelako handalo fotsiny ny fotoana tokony nohararaotiko. Nefa iray volana tatỳ aoriana dia niverina ny iray tamin’ireo silamo enina, niaraka tamina olon-kendry 15 tao an-tanànany. Hoy izy tamiko : „Te hanjary mpianatr’i Jesosy koa ireto lehilahy ireto”. Ny volana manaraka izy ireo dia niverina niaraka tamina olona 16 vaovao. Ary nandritra ny valo taona nanaraka, dia an-jatony ny olona tonga mba hianatra ny Baiboly niaraka amiko.”

(Nalaina tao amin’ny „Un souffle dans la maison de l’Islam”)