Alakamisy 8 Febroary 2024

Mibebaha ianareo ka minoa ny filazantsara. Marka 1:15

Ny fahamoram-panahin’Andriamanitra dia mitaona anao hibebaka. Romana 2:4

Efa nomen’Andriamanitra… ny fibebahana hahazoany fiainana. Asan’ny Apostoly 11:18

 

Nanefa noho ny fahadisoantsika hoe ?

Ny lalana mankany amin’Andriamanitra dia mandalo amin’ny fibebahana. Nasehon’i Jesosy izany, tamin’ny fanoharana momba ilay „zanaka adala” (Lioka 15). Io dia tantara-na tovolahy iray nitaky ny anjara lovany, avy eo nandao ny tranony, ary nandanilany foana izay rehetra azony, niaina tao anaty filibana. Rehefa tsy nanana na inona na inona intsony izy, dia nody ny sainy ka hoy izy : „Hiainga aho, dia hody any amin’ny raiko ka hanao aminy hoe : Raiko ô, efa nanota tamin’ny lanitra sy teo anatrehanao aho, ka tsy mendrika hatao hoe zanakao intsony”.

Ny fibebahana, voalohany indrindra, dia ny fahatongavan-tsaina hoe meloka, ny fiverenana amin’izay marina. Mitodi-doha amin’Andriamanitra, satria mahatsapa ny hamorampony. Izy dia mahalala ny tantarako ; ka na lehibe aza ny fahotako, dia miantehitra amin’ny famindrampony aho.

Nefa misy koa fibebahana hosoka. Tiana harenina amina asa soa, na amina fijaliana ihany koa aza, ny ratsy natao. Nisy namana iray izay, sahiran-tsaina fatratra, niteny hoe : „Amin’izao aho dia mba manefa kely noho ireo fahotako”. Tsy hambo ve izany ? Andriamanitra tsy mangataka antsika hanasazy tena.

Ny tena fibebahana dia fiovana anaty tanteraka, fiovana ao amin’ny fieritreretana sy ny fo. Voatarika isika hahita izay rehetra lafim-piainantsika toy ny fahitan’Andriamanitra azy ireo. Voatarika hidina any amin’ny farany ambany amin’izay nataontsika sy noheverintsika, mba hitsara azy ireo miaraka aminy sy toy ny fitsarany izany, nefa miantehitra ihany koa amin’ny hamorampony lehibe, izay te hamela heloka antsika. Io famelan-keloka io dia omen’Andriamanitra maimaimpoana, satria mifototra amin’ny sorona nataon’i Kristy. Indray mandeha tsy miverina Jesosy, teo amin’ny hazofijaliana, no nanefa ny famaizana sahaza antsika, nisolo toerana antsika, nandray izany tao amin’ny tenany.