Zoma 9 Febroary 2024

Hoy Jesosy tamin’ny roa ambin’ny folo lahy : Ianareo koa va mba te hiala ? Simona Petera namaly Azy hoe : Tompo ô, hankany amin’iza moa izahay ? Ianao no manana ny tenin’ny fiainana mandrakizay. Jaona 6:67-68

 

Fanontanian’i Jesosy : Ianareo koa va mba te-hiala ? (4)

Tsara vakina : Jaona 6:25-71

Eo amin’ny fiandohan’ity toko ity dia feno hafanam-po ny vahoaka no te hanandratra an’i Jesosy ka hanao Azy ho mpanjaka. Fa nony farany kosa, rehefa avy nihaino ny fampianarany, dia maro tamin’ny mpianany no nandao Azy.

Tavela irery niaraka tamin’ny mpianany roambinifolo lahy akaiky Azy indrindra Jesosy, ary nanontany azy ireo hoe : „Ianareo koa va mba te hiala ?” Azo an-tsaina ny alahelony nanoloana izany fandaozana izany.

Fa nahafinaritra kosa ny valinteny’i Petera, hoe : „Tompo ô, hankany amin’iza moa izahay ? Ianao no manana ny tenin’ny fiainana mandrakizay”. Niala ny sasantsasany noho ny tenin’i Jesosy, fa i Petera kosa dia nijanona satria nandre sady nandray, tao amin’izay nambaran’i Jesosy, ny tenin’ny fiainana mandrakizay. Takany fa Jesosy dia tsy Ilay afaka mampitombo ny mofo fotsiny ihany, fa Izy mihitsy no Ilay „mofo velona izay nidina avy tany an-danitra” (and 51), Ilay manome ny fiainana mandrakizay.

Ny fiainantsika ihany koa dia mety handalo fotoan-tsarotra mahatonga antsika halaim-panahy handao an’i Jesosy. Tsy niresaka mivantana taminy ireo mpianatra niala, fa nimonomonona samy izy (and 60-61), dia tsy niaraka taminy intsony.

Petera dia nanaiky hanontanian’i Jesosy, ary nijanona teo aminy niaraka tamin’ireo mpianatra iraikambinifolo lahy hafa. Nanome toky azy ireo ny Tompo, nilaza taminy hoe : „Tsy Izaho va no nifidy anareo ?” (and 70).

Izaho ve mba maka fotoana hihainoana tsara sy am-pinoana ny tenin’i Jesosy, mba hijanonako eo aminy ? Eo aminy, Izy Ilay Zanak’Andriamanitra masina, dia ho afaka mitsaoka Azy koa aho, satria Izy no nifidy ahy.