Asabotsy 10 Febroary 2024
Andriamanitra… tsy hamela anareo halaim-panahy mihoatra noho izay zakanareo ; fa momba ny fakam-panahy dia hasiany làlana hahafahanareo koa, mba hahazakanareo izany. 1 Korintiana 10:13
Novesarana indrindra mihoatra noho ny zakanay izahay, ka dia efa nafoinay na dia ny ainay aza. 2 Korintiana 1:8
Ohatra ny mifanohitra ireo andininy roa voatanisa eo ambony ireo. Ao amin’ilay voalohany, ny apostoly Paoly dia manambara mazava fa tsy hihoatra izay zakantsika ny fitsapana antsika. Ao amin’ny faharoa izy dia mitantara toejavatra sarotra nihoatra noho izay zakany.
Tsy mifanohitra na oviana na oviana ny Baiboly, tokony hovakina ny tohin’ny lahatsoratra : „novesarana indrindra mihoatra ny zakanay izahay… mba tsy hitokianay amin’ny tenanay, fa amin’Andriamanitra… Izy no nahafaka anay… ary mbola hanafaka ihany ; eny, Izy no antenainay fa mbola hanafaka anay koa”. Ny toejavatra niainan’ny apostoly Paoly sy ireo namany dia nitarika azy ireo tsy hitoky amin’ny herin’ny tenany, izay hita tsy ampy, fa amin’Andriamanitra. Dia tsy namela azy ireo tamin’izao Andriamanitra, fa nanafaka azy.
Nanoratra ny apostoly Paoly tatỳ aoriana hoe : „Koa mainka sitrako ny hirehareha amin’ny fahalemeko, mba hitoeran’ny herin’i Kristy amiko… fa ny fahalemeko no fahatanjahako” (2 Korintiana 12:9-10).
Ry kristiana, isika ve rehefa manoloana zava-tsarotra, fahoriana, tsy misalasala indraindray ny amin’ny fampanantenan’Ilay Andriamanitsika, Izay mahatoky anefa ? Mandifotra antsika ny fitsapana, ohatra ny tsy manao na inona na inona Andriamanitra, ka dia trotraka isika. Rehefa toy izany isika, dia „tsy tokony hitoky amin’ny tenantsika, fa amin’Andriamanitra”. Raha mitodika aminy isika, miaiky fa tsy manan-kery, dia hamonjy antsika Izy. Hampianariny isika hiteny toy ny apostoly Paoly hoe : „Mahay ny zavatra rehetra aho, ao amin’Ilay mampahery ahy” (Filipiana 4:13).