Alahady 11 Febroary 2024
Kristy… efa nijaly hamonjy anareo, ka namela fianarana ho anareo, mba hanarahanareo ny diany. 1 Petera 2:21
Ampirisihin’ny Baiboly isika, rehefa miaina sy miasa, mba haka tahaka izay nataon’i Jesosy Kristy, ka hihevitra ny fiainany lavorary, ny sorona nataony teo amin’ny hazofijaliana, ary ny famelan-keloka atolony ny rehetra.
„Ary aoka samy halemy fanahy amin’ny namany avy ianareo, ka hifampiantra sy hifamela heloka, tahaka ny namelan’Andriamanitra ny helokareo ao amin’i Kristy… Koa amin’izany dia aoka hanahaka an’Andriamanitra ianareo, tahaka ny zanaka malala ; ary mandehana amin’ny fitiavana, toy ny nitiavan’i Kristy anareo, dia ny nanolorany ny tenany ho fanatitra sy ho fanavotana amin’Andriamanitra, ho hanitra ankasitrahina, hamonjy antsika” (Efesiana 4:32 — 5. 1-2).
„Tsy manao na inona na inona amin’ny fifampiandaniana, na mandrani-tena foana, fa amin’ny fanetrentena dia aoka samy hanao ny namany ho mihoatra noho ny tenany. Aza samy mihevitra ny azy ihany, fa samy ny an’ny namany koa. Aoka ho ao aminareo izao saina izao, izay tao amin’i Kristy Jesosy koa, Izay, na dia nanana ny endrik’Andriamanitra aza, dia tsy nataony ho zavatra hofikiriny mafy ny fitoviana amin’Andriamanitra, fa nofoanany ny tenany, tamin’ny nakany ny endriky ny mpanompo sy ny nahatongavany ho manam-pitoviana amin’ny olona ; ary rehefa hita fa nanan-tarehy ho olona Izy, dia nanetry tena ka nanaiky hatramin’ny fahafatesana, dia ilay fahafatesana tamin’ny hazofijaliana” (Filipiana 2:3-8).
„Koa mitafia famindrampo sy fiantrana, fahamoram-panahy, fanetrentena, fahalemem-panahy, fandeferana, araka ny olom-boafidin’Andriamanitra, sady masina no malala. Mifandefera, ka mifamelà heloka ianareo, raha misy manana alahelo amin’ny sasany ; tahaka ny namelan’ny Tompo ny helokareo no aoka mba hamelanareo heloka kosa” (Kolosiana 3:12-13).