Alatsinainy 12 Febroary 2024

Ny hita dia ho vetivety foana, fa ny tsy hita no haharitra mandrakizay. 2 Korintiana 4:18

Fa inona no soa azon’ny olona, raha mahazo izao tontolo izao aza, kanefa very ny ainy ? Marka 8:36

 

Jiro fanazavana (1)

Ny fanazavana, ao amina fampirantiana, dia voadinika tsara mba hampisongadina ireo sary hosodoko aranty. Fanazavana roa samy hafa, atao eo amina sary hosodoko iray, dia mety hahatsapana ho toy ny misy sanganasa roa miavaka.

Raha erireretiko ho tahaka sary hosodoko ny fiainako, dia zava-dehibe fototra ny fanazavana izay ijereko azy. Matetika tokoa isika dia manombana ny toejavatra miseho eo amin’ny fiainantsika amin’ny hazavan’ny fisiana etỳ an-tany. Nefa misy fanazavana iray hafa koa, mifototra amin’ny fahitana izany araka an’Andriamanitra sy ny hoavintsika mandrakizay. Tsy miova ny sary hosodokon’ny fiainako, nefa ny sary azo avy eo dia tena hafa tanteraka.

Raisintsika ohatra ny tovolahy iray nanjary nanan-kilema mandra-pahafatiny, vokatra loza nanjo azy. Mihevitra isika hoe tena fahavoazana mafy izany, ho an’ny fisiany eto an-tany. Rehefa avy nandalo fotoana nikomiana izy, dia mety hampieritreritra azy izany toejavatra izany, mety hitarika azy hanaiky an’i Jesosy ho Mpamonjiny sy hijoro ho vavolombelony. Ilay toa fahavoazana etỳ ivelany dia hanjary fahasambarana mandrakizay.

Mifamadika amin’izany indray, ho an’izay salama tsara, miaina milamina sy feno fahombiazana, nefa tsy misy an’Andriamanitra, dia heverina ho fahombiazana mahafinaritra ny lalana diaviny. Nefa raha toa io fiainana mora io nitarika azy hanao tsinontsinona ny hoavin’ny fanahiny, dia fahavoazana lozan-tany ho mandrakizay no vokatr’izany !

Ndao hieritreritra ; ny zava-dehibe eo amin’ny fiainantsika etỳ an-tany, na sarotra na feno fifaliana ny toejavatra iainantsika, dia tena ny fijerena tsara izany araka ny fahazavana omen’Andriamanitra antsika ao amin’ny Teniny, dia ny Baiboly. Ndao hamaky azy tsara, dia ho amin’ny fomba fijeriny no hahitantsika ny fahatsinjovana marina momba ny ankehitriny sy ny mandrakizay.

(hitohy)