Talata 13 Febroary 2024

Finoana no nandavan’i Mosesy tsy hatao hoe zanaky ny zanakavavin’i Farao, rehefa lehibe izy —nifidy izy mantsy hiara-mitondra fahoriana amin’ny olon’Andriamanitra, toy izay hanana fifaliana vetivety amin’ny fahotana, nanao ny fanaratsiana an’i Kristy ho harena be lavitra noho ny zavatsoan’i Egypta. Hebreo 11:24-26

 

Jiro fanazavana (2)

Hitantsika omaly fa ny toejavatra miseho eo amin’ny fiainantsika dia afaka tombanana amina fomba tena samy hafa, arakaraka ny jiro fanazavana omen’ny fijery amin’ny maha olona, na izay omen’ny fijerin’ny finoana.

Ny Baiboly dia mitantara amintsika ny ohatra momba an’i Mosesy, teraka tao anaty fianakaviana israelita, tamin’ny andron’ireo Farao. Namoaka baiko ny iray tamin’ireo hampamono ny zazalahy israelita rehetra vao teraka.

Noho izany dia nafenin’ny ray aman-drenin’i Mosesy nandritra ny telo volana ny zanany. Avy eo izy dia nataon’ny reniny tao anaty vata kely tsy tantera-drano, ary napetrany tao anatin’ny zozoro nanamorona ny ony. Tao izy dia hitan’ny zanakavavin’i Farao, ka nomeny hokarakarain’ilay tena reniny (tsy fantany akory izany) nandritra ny fotoana tokony hampinonoana azy, ary avy eo dia natsangany ho zanany. Nobeazina tao an-dapa i Mosesy, ka noraisina toy ny zanaky ny zanakavavin’i Farao. Nampianarina azy ny fahendrena rehetra nananan’ny Egyptiana (Asan’ny Apostoly 7:22). Toerana tena mampitsiriritra ! mifanohitra amin’ny fampahoriana lozan-tany ireo Israelita, izay andevo, afitsok’io Farao io ihany !

Rehefa lehibe anefa i Mosesy dia nandao ny zavatra rehetra. Nafoiny ny fiainana miadana sy voninahitra tao an-dapa. Nofidin’Andriamanitra izy hanatanteraka asa hanirahany azy, ka nankany amin’ny vahoakany nampahoriana, mba hamoaka azy avy tao Egypta. Taorianan’izany dia notarihiny hamakivaky ny taniefitra ny vahoaka, ary nisedra zava-tsarotra marobe. Hadalana ve izany ? oharina amin’ny fiainana ho azony niainana.

Tsia, satria ny finoan’i Mosesy an’Andriamanitra sy ny teny fampanantenany dia nampisandratra azy any ambonin’ny zavatra hita maso sy mihelina. Ny finoany dia nahafahany nahatakatra ny zavatra nilain’ilay vahoaka tian’Andriamanitra, sy nahafoy tena tanteraka ho an’io vahoaka io. Mosesy dia „naharitra toy ny mahita Izay tsy hita” (Hebreo 11:27).

(tapitra)