Alarobia 14 Febroary 2024
Jehovah ô, efa nandinika ahy Ianao ka mahalala ahy… Fahalalana mahagaga ahy loatra izany, eny, avo loatra ka tsy tratrako. Salamo 139:1, 6
Naniry hanompo ny Tompo tany Chine i Gladys Aylward (1902-1970). Rehefa tody tany izy, taoriana-na fitetezan-tany lavareny, dia noraisina vehivavy misionera nanoro hevitra azy hiakanjo toy ny vehivavy sinoa, satria ny Sinoa dia tena miahiahy mafy ny vahiny. Dia narahin’i Gladys io torohevitra io. Rehefa nahita azy niakanjo toy izany ilay misionera, dia niteny taminy hoe :
— Tena tahaka ny vehivavy sinoa mihitsy ianao, mitafy ireny akanjo ireny ! Ny volonao mainty sy tsotra, ary ianao fohy, tena mitovy amin’izy ireo mihitsy. Mijere fitaratra anie e !
Nijery ny tenany teo i Gladys, ary lasa eritreritra nandritra ny fotoana ela. Nony avy eo dia hoy izy :
— Fony kely aho, dia nisy zavatra roa tena nahasorena ahy. Voalohany, ny voloko dia mainty sy henjana. Mbola tsy nahita volo ratsy toy izany aho. Faharoa, izaho irery no fohy ao amin’ny fianakaviako, fa ny rehetra lava daholo. Tamin’izany fotoana izany aho dia nieritreritra matetika hoe : tsy rariny izao. Ankehitriny kosa dia takatro ny anton’ny anananako volo mainty sy ny maha fohy ahy. Efa nomanin’Andriamanitra ny zava-drehetra, araka ny fahendreny.
Roapolo taona tatỳ aoriana i Gladys vao nahazo valiny feno tamin’ny fanontaniany hoe : nahoana Andriamanitra no nahary azy toy izao, fa tsy hafa. Noraisin’ny vahoaka sinoa tsara tokoa mantsy izy, ary nomen’Andriamanitra asa fanompoana mahasoa sy feno fitahiana teo anivon’ny kamboty.
Matoa Andriamanitra mamela hisy zavatra manahiran-tsaina sy mampametra-panontaniana antsika eo amin’ny fiainantsika, dia angamba isika mbola tsy tonga any amin’ny „Chine”-ntsika ! nefa ho hainy ny hamaly antsika, amin’ny fotoanany.