Alakamisy 15 Febroary 2024
Fa eo aminao no misy ny famelan-keloka, mba hatahorana Anao. Salamo 130:4
Ny fahatahorana an’i Jehovah dia fiarovana mahatoky, ary ny zanany hahazo fialofana. Ohabolana 14:26
John Newton dia nilaza fa tsy matahotra an’Andriamanitra, mandra-piovany fo ho an’i Kristy. Nihantsy Azy miharihary izy, niaina tsy nifaditra ovana sy tao anaty faharatsiana. Saingy tao anaty tafiotra iray saiky naharendrika ny sambony, dia nivarahontsana izy. Natahotra ny ho faty izy, ary indrindra, natahotra ny hihaona amin’Andriamanitra. Ary io tahotra io no nampitodika azy tamin’Andriamanitra sy nandraisany ny famelan-keloka avy aminy. Dia iny izy no nanoratra ilay hira fanta-daza hoe : „Amazing grace” (Fahasoavana mahatalanjona) : „Io fahasoavana io no nampianatra ny foko hatahotra, ary nampisinda ny tahotro ny fahasoavana”. Ny famelan-keloka lehibe tsapan’i Newton avy amin’Andriamanitra no nampita azy avy tamin’ny tahotra an’Andriamanitra ho amin’ny „fahatahorana” Azy. Niainany ilay teny mahagaga hoe : „Eo aminao (Andriamanitra) no misy ny famelan-keloka, mba hatahorana Anao”.
Rehefa mahita ny tenantsika ho mpanota isika, dia mety ho azon’ny fahatahorana an’Andriamanitra sy ny tahotra ny fitsarana. Dia fitoniana toy inona moa ny antsika, mahita ny famonjena ao amin’i Jesosy sy ny famelan-keloka ! Avy eo ny mpino dia mitoky amin’Andriamanitra, tia manakaiky Azy, mahita ao aminy fiarovana sy famindrampo. Tsy manana tahotra an’Andriamanitra intsony izy, nefa matahotra ny tsy hankasitrahiny eo amin’ny fiainany andavanandro, satria mahatsapa ny sarany nefainy rehefa nampizaka ny Zanany ny famaizana ireo fahotantsika. Ny fahatahorana an’Andriamanitra dia ny fatokiana miharo fanajana be.
Raha mijanona ao amin’ny tahotra an’Andriamanitra aho, na mihazona ny endrika Andriamanitra masiaka, dia satria tsy nahay nahita hoe iza Izy, Ilay „Andriamanitra mamindra fo sy miantra, mahari-po sady be famindrampo sy fahamarinana” (Eksodosy 34:6). Na koa aho atosika fieritreretana ratsy handositra Azy…
— Ry Tompo, Mpamonjy ahy, inona no toeran’ny fahatahorana an’Andriamanitra eo amin’ny fiainako ?