Zoma 16 Febroary 2024

Rehefa nitraka Jesosy, dia hoy Izy taminy : Ravehivavy, aiza ireny ? Tsy nisy nanameloka anao va ? Ary hoy izy : Tsy misy, Tompoko. Dia hoy Jesosy : Izaho koa dia tsy manameloka anao ; mandehana, ary amin’izao sisa izao dia aza manota intsony. Jaona 8:10-11

 

Fanontanian’i Jesosy : Tsy nisy nanameloka anao va ? (5)

Tsara vakina : Jaona 8:1-11

Maraina ny andro. Nipetraka teo amin’ny kianjan’ny tempoly Jesosy, ary nampianatra ny vahoaka. Nisy andiana mpitondra fivavahana nanapaka ny teniny mba hamandrika Azy amin’ny fampianarany. Nitondra vehivavy tratra nijangajanga teo aminy izy ireo. Hanamafy ny fanamelohana ho faty ity vehivavy ity ve Izy ? araka ny lalànan’i Mosesy. Dia nanontany Azy ireo hoe : „Fa ahoana kosa, hoy Ianao ?”, mba hahafahany miampanga Azy.

Tsy namaly Jesosy, fa niondrika ary nanoratra mangina teo amin’ny tany. Mbola nisisika nanontany Azy ihany ireo, koa dia nitraka Izy, ary niteny taminy hoe : „Izay tsy nanota eo aminareo no aoka hitora-bato azy voalohany.” Avy eo dia niondrika sy nanoratra indray Izy. Niala tsirairay ireo izay tonga mba hanameloka ilay vehivavy, ka lasa nandeha. Jesosy sy ilay vehivavy nanoloana Azy, sisa, no teo.

Fijery vaovao tanteraka no niantefa taminy, nisy tsirim-panantenana. Niteny taminy Jesosy, ary nanontany hoe : „Tsy nisy nanameloka anao va ?”. „Tsy misy, Tompoko”, hoy ilay vehivavy, nitony. „Izaho koa dia tsy manameloka anao”, hoy Jesosy. Afaka nandeha malalaka izy, tsy nisy fanamelohana, nomban’ny herin’ny famelan-keloka natolotr’i Jesosy.

Ny tena hery nanosika ny fanafahana azy, toy ny ho antsika ihany koa amin’ny fotoana rehetra eo amin’ny fiainantsika, dia ny fahatsiarovana ny fitiavan’ny Tompo Jesosy. „Mandehana, ary amin’izao sisa izao dia aza manota intsony.” Ny fahasoavan’Andriamanitra, fahasoavana mahatalanjona, dia tsy manaiky ho sakanan’ny ota ao anatintsika, satria Jesosy efa nitondra manontolo teo amin’ny hazofijaliana ny famaizana izany.

Raha mbola mahatsapa tena ho lavitra Azy ianao, dia fantaro fa tia anao Izy. Aza manameloka ny tenanao : „Izaho koa tsy manameloka anao. Mandehana… dia aza manota intsony”.