Asabotsy 17 Febroary 2024

(Hoy Jesosy :) Raha misy ta hanaraka Ahy, aoka izy handà ny tenany, dia hitondra ny hazofijaliany isanandro ka hanaraka Ahy. Lioka 9:23

 

Fandavan-tena

„Ny hoe mahafoy dia toa mitovy amin’ny hoe milefitra, miala, milavo lefona, na koa mamela zavatra iray nefa nirina…

Indray andro aho dia tonga teo amina toejavatra manan-danja indrindra fantatro fa niantsoan’Andriamanitra ahy hamoy zavatra sasantsasany… Izaho dia tahatahaka ilay tovolahy manankarena diso fanantenana tanteraka no niala, rehefa nangatahin’i Jesosy hanome ny fananany rehetra ho an’ny mahantra sy hanaraka Azy… Andriamanitra dia maniry antsika mba hisafidy ny hanaraka Azy an-tsitrapo, satria mahafantatra —mihoatra noho ny fahafantarantsika- izay tsara, mahafinaritra, mahafaly ho an’ny fiainantsika… Nanapa-kevitra aho ny hino fa tsara kokoa ny miaina ho an’Andriamanitra noho ny miaina ho an’ny tena !

Raha mahita ny tenanao ao anatin’izany toejavatra izany ianao, dia fantaro fa na oviana na oviana Andriamanitra tsy mitaky na inona na inona aminao, nefa tsy manome anao ny fahafahana hanatanteraka izany. Miakara, na ny zana-tohatra voalohany ihany aza, fa Izy no hanao ny sisa ho anao !” (araka an’i J. Gotte)

— Ny zana-tohatra voalohany… dia ny finoana an’i Jesosy Kristy sy fatokiana an’Andriamanitra. Mandà ilay hambo manosika ahy hanohitra Azy, hanao tsinontsinona ny hamorampony, ny fahendreny, ny heriny…

— Zana-tohatra, hoy ianao ? tendrombohitra aza e !

— Izany angamba, raha atao jery maika, nefa ianao raha manaiky, na kely fotsiny aza, hohazavain’ny fahazavan’Andriamanitra, dia hanjary zana-tohatra azo diavina ilay tendrombohitra noheverinao ho avo aoka izany. Raha melohinao ireo fihevitrao sy asanao taloha, dia hisy aim-baovao hamelona anao, izany hoe ny fiainana mandrakizay, ny ain’i Jesosy Kristy. Iakaro miaraka amin’i Jesosy io zana-tohatra voalohany io, dia hanjary tanjona sy fifalian’ny fiainanao ny mandà tena mba hanaraka Azy.