Alahady 18 Febroary 2024
Ary raha nipetraka tandrifin’ny fandatsahan-drakitra Jesosy, dia nijery ny fandatsaky ny vahoaka vola tao Izy ; ary maro ny mpanankarena nandatsaka be tao. Fa nisy mpitondratena malahelo anankiray kosa tonga teo, ka nandatsaka farantsakely roa ankevitry ny variroaventy avy. Marka 12:41-42
Nisy vehivavy mpitondratena iray nandatsaka farantsakely roa tao amin’ny fandatsahan-drakitry ny tempoly, toerana nahafahana mametraka ny vola tiana homena an’Andriamanitra. Vola kely variraiventy izany. Nefa nosarihin’i Jesosy ny sain’ny mpianany, mba hanamarihany ny fahalalahan-tanana lehibe dia lehibe nanetsika io vehivavy io : „Io mpitondratena malahelo io no efa nandatsaka be noho izay rehetra nandatsaka tao amin’ny fandatsahan-drakitra. Fa ireo rehetra ireo, dia tamin’ny haben’ny fananany no nandatsahany tao ; fa izy kosa, tamin’ny alahelony no nandatsahany tao izay rehetra nananany, dia ny fivelomany rehetra” (Marka 12:43-44).
Tsy nisy nahamarika io vehivavy io, fa Jesosy, Izay nahafantatra ny toerana misy azy sy ny fony, no nahatakatra ny lanjan’ny fanomezany. Ny fihetsiny dia naneho hoe toy inona ny fitiavany an’Andriamanitra. Ny fanatitra nataony dia fanehoam-pinoana, fametrahana tanteraka ny fiainany eo ampelatanan’Andriamanitra.
Ny Baiboly dia tsy milaza zavatra firy momba azy, afa-tsy ny fahantrany sy ny finoany. Raha tsy nisy ny finoana, dia tsy ho nanolotra ny hany volany izy ; nefa izy natoky ny Andriamaniny, Izay hikarakara azy tsara kokoa noho izay ho azon’ny tenany atao.
Tsy ho mora lavitra ho azy ve ny nanapa-kevitra hoe tsy mendrika an’Andriamanitra mihitsy ny fanomezany ? Raha ny marina, inona moa no ilàn’Andriamanitra izay farantsakely roa ? Nefa Ilay omeny io fanomezana io no noheveriny.
Manohina an’Andriamanitra ny zavatra atolotsika, nefa ny tena jereny indrindra dia ny toe-po manetry tena sy tsy misehoseho ananan’ilay mpanome. Manan-danja kokoa ny fomba fanome, noho ny zavatra omena.