Alatsinainy 19 Febroary 2024

Izay tsy mino an’Andriamanitra dia efa nampandainga Azy, satria tsy mino ny fanambarana izay nanambaran’Andriamanitra ny Zanany izy. 1 Jaona 5:10

 

Mandà ny fitiavan’Andriamanitra

— Tsy mpanaraka antokom-pivavahana aho.

Izany no fanamarihan’ilay mpifanolo-bodirindrina tamiko, notolorako ity alimanaka vakinao ity.

— Tandrify tsara izany, satria ity alimanaka ity tsy miaro antokom-pivavahana iray.

Ireo antokom-pivavahana dia rafitra napetraky ny olombelona. Ny sasantsasany aza dia mihambo mihitsy ho hany manana ny fahamarinana. Nefa iza no sahy hihevitra fa afaka hanidy an’Andriamanitra ao anaty antokom-pivavahana iray ? Ny fahamarinana dia tsy firehan-kevitra ara-pivavahana ; ambaran’ny Baiboly antsika fa olona ny fahamarinana, dia Jesosy. Izy tenany mihitsy no miteny hoe : „Izaho no làlana sy fahamarinana ary fiainana” (Jaona 14:6).

Eny, Jesosy no lohahevitra ivon’ny Filazantsara. Izy no fanomezana lehibe indrindra natolotry ny fitiavan’Andriamanitra ny olona. Ny mandà io fanomezana io dia faniratsirana Ilay Mpanome, faniratsirana Ilay Andriamanitra Mpahary antsika. „Andriamanitra ao amin’i Kristy no nampihavana izao tontolo izao taminy” (2 Korintiana 5:19). Ny Baiboly dia tsy manafina amintsika fa ny fandavana an’i Kristy tsy ho Mpamonjy dia zavatra tena loza sy manetriketrika. Ambaran’i Jesosy mazava tsara fa ny olombelona dia homelohina satria tsy nino Azy (Jaona 16:8-9).

Ankehitriny dia mbola atolotra anao io fanomezan’Andriamanitra io. Raiso am-pankasitrahana izy io, ary aoka ho hitanao ao amin’i Jesosy Kristy, maty mba hamafa ny fahotanao rehetra, ny fitiavana tsy misy fetran’Ilay Andriamanitra manome anao Mpamonjy, Izay tsara lavitra noho ny antokom-pivavahana.