Talata 20 Febroary 2024

Manàna finoana an’Andriamanitra. Marka 11:22

… mba tsy hiorenan’ny finoanareo amin’ny fahendren’ny olona, fa amin’ny herin’Andriamanitra ihany. 1 Korintiana 2:5

 

Tompoko, raha mety Ianao dia mahay !

„Ary raha tao an-tanàna anankiray Jesosy, indro, nisy lehilahy heniky ny habokana ; ary nony nahita Azy io, dia niankohoka ka nitaraina taminy hoe : Tompoko, raha mety Ianao, dia mahay manadio ahy. Ary Jesosy naninjitra ny tanany, dia nanendry azy ka nanao hoe : Mety Aho ; madiova ianao. Ary ny habokany niala taminy niaraka tamin’izay” (Lioka 5:12-13).

Io lehilahy rakotry ny habokana io dia nahafantatra fa nanana aretina tsy hay sitranina, ary tsy nisy na fanafody na mpitsabo teo aminy. Fantany fa Jesosy irery no hany afaka manasitrana azy ary mahefa ny zavatra rehetra. Teo no ho eo ny valintenin’i Jesosy : „Mety Aho, madiova ianao”.

Io lehilahy io dia kisarisarin’ny olona rehetra miaiky ny toetra maha mpanota azy eo anatrehan’Andriamanitra, ary tsy afaka manaisotra io toetra io amin’ny alalan’ny heriny samirery.

Koa ndao àry hanatona an’i Jesosy, Ilay nisolo toerana antsika, nizaka ny famaizana ara-drariny avy amin’Andriamanitra, noho ny ota. Aoka isika tsirairay hatoky tsotra fotsiny Azy sy ny sorona nataony teo amin’ny hazofijaliana. Efa nomena ahy ny fahasoavan’Andriamanitra. Afaka manambara ahy ho madio sy marina eo anatrehany Izy.

Hoy io boka io : „Raha mety Ianao, dia mahay”. Fantany fa eo am-pelatanan’Andriamanitra ny hery hanasitranana azy, nefa ve Jesosy te hanasitrana azy ? Eny, tia azy Jesosy, ary nampiseho izany tamin’ny fahagagana nataony teo no ho eo. Tsy nisy fanomezan-tsiny, fa ny fitiavana dia mamaly hatrany ny finoana, na dia mihazoazo aza izany, na tsy mahafantatra na inona na inona, na miharo fisalasalana indraindray.

Ary isika kristiana, izay manana fahalalana angamba satria nianatra ny Tenin’Andriamanitra, tsy matetika ve isika no tsy mino fa te hitahy antsika ny Tompo ?