Alarobia 21 Febroary 2024

Jehovah ô, fantatro fa tsy an’ny olombelona ny làlan-kalehany. Jeremia 10:23

Fanilon’ny tongotro sy fanazavana ny làlako ny teninao. Salamo 119:105

 

Fantatry ny Rainareo

Nandritra ny alina manontolo dia olona am-polony no nikaroka an’i Clément, zazalahy kely valo taona, very tany an-tendrombohitra rakotra ranomandry. Vao maraina dia nisy angidimby roa nalefa hanampy ny mpikaroka. Vetivety foana ireo mpanamory dia nahatazana diana „ski”. Nisy andian’olona teny ambany nanaraka ireo marika ireo, izay nitohy tamina dian-tongotra kelin’ankizy. Ireo dian-tongotra ireo dia nitondra teo amina hazo iray nahitana ilay zaza soa aman-tsara tao afovoan’ny ravin-kazo matevina.

Nanao fanambarana tamin’ny radio ny lehibe tompon’andraikitra hoe : „Salama tsara i Clément. Raha ny marina, dia salama tsara kokoa noho izahay izy amin’izao fotoana izao !” Avy eo izy dia nanazava ny antony naha voaaro tsara ilay zazalahy, na teo aza ny hatsiaka. Efa nohazavain’ny rainy taminy izay tokony hataony raha sanatria very izy, indray andro any. Dia narahin’i Clément an-tsakany sy andavany izay nolazain’ny rainy taminy. Niaro tena tamin’ny hatsiaka sy ny ranomandry izy, rehefa niakatra teny ambony hazo mba hitakoko tao, voaron’ireo sampan’ilay hazo.

Asehon’i Clément antsika izay tokony hataontsika amin’ny maha zanak’Ilay Ray any an-danitra feno fitiavana sy fahendrena antsika : mankatò fotsiny ihany ny didiny. Fantany izay tsara indrindra ho antsika androany. „Fantatry ny Rainareo izay tokony ho anareo” (Matio 6:8). Ato anaty tontolo feno fandrika sy feo mifangaro, dia fahasambarana sy filaminana ho antsika ny mitoky amin’ny fitiavany tsy miovaova. Hamafisin’ny Baiboly fa tsy hain’ny olona ny mitondra samirery ny fiainany. Ny Baiboly irery no hany fahazavana ara-toe-panahy afaka manazava ny lalantsika.