Alakamisy 22 Febroary 2024

Hoy Jesosy taminy : Satria nahita Ahy ianao, dia nino ; sambatra kosa izay tsy nahita, nefa nino. Jaona 20:29

 

Ny any ankoatra

Inona no dikan’io fiteny io ? Any ankoatran’ny inona ?

— Any ankoatran’ny fiainantsika eto an-tany.

— Any ankoatran’izay afaka hitan’ny masontsika.

— Any ankoatran’ireo fisainantsika sy ny fihevitsika…

Ireo izay tsy mino afa-tsy ny hitan’ny masony dia mihevitra fa rehefa maty ny olona, dia vita tanteraka hatreo ny aminy. Misy hafa miteny hoe : „Misy zavatra mihitsy ao, nefa inona ?”

Misy koa milaza hoe : „Ahoana no ahafantaranareo izay any ankoatra, nefa mbola tsy nisy mihitsy olona niverina avy any, nitantara izany tamintsika ?”

Ny any ankoatra dia sehatry ny finoana. Ny finoana tokoa mantsy dia mino na tsy mahita aza, na tsy manaporofo. Tsy mitoky amin’ny fiheveran’ny besinimaro ny finoana, na manaraka hevitra metimety aminy. Tsia, fa ny finoana dia miantehitra amin’izay ambaran’Andriamanitra ao amin’ny Teniny, dia ny Baiboly. Tsy misy mampisalasala ao : ny fiainantsika eto an-tany dia dingana iray fotsiny ihany, ary rehefa mifarana io, dia misy dingana vaovao iray misokatra, satria ny olona rehetra dia manana fiainana tsy mety maty. Io dingana vaovao io, any ankoatra, dia miankina amin’ireo safidy nataontsika nandritra ny fahavelomantsika teto an-tany. Manoatra noho izany aza : ny fiainantsika etỳ an-tany dia nomena antsika mba hiomanantsika ho amin’ny any ankoatra.

Raha niaina tsy nisy an’Andriamanitra ianao hatramin’izao, dia ho lavitra Azy koa ny any ankoatranao, nefa ho eo ambany fitsarany. Anio dia mbola tsy tara loatra, raha hanatona Azy ianao. Jesosy, Ilay Zanak’Andriamanitra, dia tonga tetỳ an-tany ary maty sy nitsangana velona indray. Nandalo tao amin’io „ankoatra” io Izy, ary nandresy. Ireo rehetra mino Azy dia amohany lalana mamakivaky ny fahafatesana. Izy ireo dia horaisiny any an-tranon’ny Ray, izay ankoatra hazavain’ny fanatrehan’i Jesosy, ao amina fahasambarana mandrakizay.