Zoma 23 Febroary 2024
(Hoy Jesosy :) Raha ny marina no lazaiko, nahoana ianareo no tsy mino Ahy ? Izay avy amin’Andriamanitra dia mihaino ny tenin’Andriamanitra ; izany no tsy ihainoanareo, satria tsy mba avy amin’Andriamanitra ianareo. Jaona 8:46-47
Raha maharitra amin’ny teniko ianareo, dia ho mpianatro tokoa. Jaona 8:31
Io fanontanian’i Jesosy io dia niantefa tamina Jiosy naniry hihaino Azy. Nefa tena mino ve izy ireo, sa ivelambelany ihany ny finoany ? Nihevitra ho nahafantatra ny fahamarinana izy ireo. Nandray ny Lalànan’Andriamanitra tamin’ny alalan’i Mosesy, ary taranak’i Abrahama, ka nihevitra fa nanana an’Andriamanitra ho Ray. Ao amin’ity toko faha-8 ity anefa dia nihanahery setra kokoa hatrany ny famaliany ny tenin’i Jesosy, ka tonga hatramin’ny fandraisana vato mba hitorahana Azy.
Jesosy dia nilaza tamin’izy ireo ny marina, ny fahafahana, ny maha zanaka, fa izy ireo kosa nihitsoka tao anatin’ny fomba fandraisany ny Lalàna. Nilazany izy ireo haharitra amin’ny teniny, mba ho afaka, nefa namaly fa tsy mila fanafahana, satria tsy mba andevon’iza na iza hatrizay, hono : toejavatra tsipahin’ny fanjanahan’ny Romana azy rahateo. Izany fandavana tanteraka izany dia mampiseho ny tsy fihainoany. Ato amin’ity toko ity dia in-6 Jesosy no niresaka momba ny marina, ka nanjary nanontany azy ireo hoe : „Raha ny marina no lazaiko, nahoana ianareo no tsy mino Ahy ?” Ary namaly teo no ho eo koa hoe : „Satria tsy mba avy amin’Andriamanitra ianareo.”
Ny marina resahin’i Jesosy dia tsy fahamarinana noforonin’ny fisainan’olombelona, fa ny fanambaran’Andriamanitra.
Inona no akon’ny tenin’i Jesosy ao anaty fontsika sy fiainantsika ? Isika ve andevon’ny fihevitsika sy ny fanao ara-pivavahana mahazatra antsika, sa miaina ao anatin’ny fahafahan’ny zanak’Andriamanitra ? Ndao hamela ny teny sy ny fanontanian’i Jesosy hilatsaka ao anatintsika. Ndao hanokatra ny fontsika hidiran’ny fitiavany, mba hiaina tanteraka am-pahafahana, famindrampo ary fahamarinana… ao anatin’ny fahafahan’ny zanak’Andriamanitra.