Asabotsy 24 Febroary 2024
(Hoy Jesosy :) Ny lanitra sy ny tany ho levona, fa ny teniko tsy mba ho levona. Lioka 21:33
Ny teninao no fahamarinana. Jaona 17:17
Ny Baiboly, inona no resahiny ?
Andriamanitra, Mpahary ny zavatra rehetra, dia tsy nianina fotsiny nampahafantatra ny tenany tamin’ny alalan’ny fahariana. Izy mihitsy no manome antsika fanambarana an-tsoratra, izay harena sarobidy narahiny maso, nanomboka tamin’ny fanoratana azy ka hatramin’ny fampitana azy.
Ny Baiboly dia tsy boky natao handokadokafana antsika, fa mampiseho ny toetra lalin’ny olona, ny andraikiny eo anatrehan’Ilay Andriamanitra masina sy marina, ary ny fitsarana sahaza ny olona mpanota. Nefa izy koa dia maneho amintsika fa tia antsika Andriamanitra : nanome an’i Jesosy Kristy Zanany Izy, mba tsy hampihatra amintsika ny fitsarana ary mba hanao antsika ho zanany.
Ireo fampianaran’ny Baiboly dia ny fahamarinana, ireo fitsipiny dia tsy miova. Andriamanitra dia mametraka antsika eo anoloana safidy lehibe : na ny haizina na ny hazavana. Nefa miaraka amin’izany dia atorony koa izay iriny ho antsika : „Mifidiana ny fiainana, mba ho velona ianao” (Deoteronomia 30:19).
Ndao hampihatra ny teniny eo amin’ny fiainantsika andavanandro. Ny teniny no fahazavana hitarika ny diantsika, sakafo hanohana antsika ara-toe-panahy, ary hampahery antsika. Teny velona izany. Na tanora na zokinjokiny isika, dia aoka hamaky azy tsy tapaka sy am-bavaka, ary hamela azy hiasa amin’ny fieritreretantsika.
Ny kristiana dia afaka miteny hoe : „Ny teninao no mamelona ahy… Faly aho noho ny teninao, tahaka ny mahazo babo be” (Salamo 119:50, 162).
Ny Teninao, hazavana madio,
Dia manazava sy mitarika ny dianay rehetra,
Mba hahafahanay manome voninahitra Anao etỳ an-tany,
Ry Ray be fitiavana.
Ny Teninao dia te hamatotra hatrany ny fonay
Amin’ny Zanakao mihitsy,
Ary mampiseho ny voninahitra avo indrindra
Ananan’ny tenan’ny Tompo.