Alahady 25 Febroary 2024
Tsy mba toy ny fijerin’ny olona no fijerin’i Jehovah ; fa ny olona mijery ny miseho eo ivelany, fa Jehovah kosa mijery ny fo. 1 Samoela 16:7
Na inona na inona marina, na inona na inona manan-kaja,… mahitsy,… madio,… maha-te ho tia,… dia hevero izany. Filipiana 4:8
Ny poti-tsambo mitsingevana dia sombina sambo vaky entin’ny onjan-dranomasina. Talohan’ny namoronana ny „sonar” (fitiliana amin’ny feo), dia tsy hitan’ny sambo izy ireny raha tsy efa amin’ny fotoana farany. Tsy hita maso izy ireny ary mahatahotra, satria miteraka fahavoazana tsy hay arenina indraindray.
Izany dia mampahatsiahy antsika ireo eritreri-dratsy tsy tsapantsika hoe avelantsika hitombo ao anatintsika, ireo „fahotana kely” heverintsika ho tsy misy dikany —toy ny lainga araka ny toejavatra, fanindrahindrana am-pihatsarambelatsihy, hosoka isan-karazany, horonantsary mamoafady. Tsy dia hita maso loatra izy ireo, ka tena mandoza sy manimba, satria miafina. Diso fanombana ireo fahotana ireo isika, ka tsy afaka mihevitra azy ireo araka ny tena endriny, tsy afaka mandinika eo ambany fahazavan’Andriamanitra ny tena toe-pontsika. Tokony hitsara tsy misy hataka andro azy ireo isika ary hiala amin’izy ireo : „Izay manafina ny fahotany, tsy hambinina ; fa izay mitsotra ka mahafoy azy no hahazo famindrampo” (Ohabolana 28:13).
Ny fiaina ivelambelany dia porofo fa nanalavitra an’Andriamanitra isika. Misy kilema ny fifandraisantsika aminy. Tsy ananantsika ny fiombonana aminy sy ny fankasitrahany, izay loharano mitondra hery, fiadanana, ary fifaliana. Ny toe-pontsika no zava-dehibe, io no jeren’Andriamanitra ! „Tandremo ny fonao, mihoatra noho izay rehetra tokony hotandremana ; fa avy ao aminy no iavian’ny aina” (Ohabolana 4:23).
„Koa ndao àry hampiasa ny „sonar” ara-panahy ato anatintsika”, amin’ny famakiana sy fandinihana am-bavaka ny Baiboly. Dia hohazonin’ny Tompo ho madio mandrakariva isika, tsy ho voaloton’ny ratsy amin’ny endriny rehetra, ary hampiany hiaina mba hahafaly Azy.