Alatsinainy 26 Febroary 2024

… [rentsika izy] ireo miteny amin’ny fitenintsika avy ny asa lehibe ataon’Andriamanitra. Asan’ny Apostoly 2:11

Amin’ny firenena rehetra, izay olona matahotra Azy (Andriamanitra) ka manao ny marina no ankasitrahiny. Asan’ny Apostoly 10:35

 

Ndao hivavaka ho an’i Bangladesh (2)

Tamin’ny taona 1947, nony nahaleo tena ny „Indes britanniques”, dia niorina ny Fanjakana indiana, hindoista, sy i Pakistan, silamo, izay nizara roa koa ho Pakistan atsinanana sy Pakistan andrefana. Tamin’ny taona 1971 dia niova anarana ho Bangladesh i Pakistan atsinanana, ary ny bengali no teny ofisialy any aminy. Tamin’ny taona 1809, rehefa nampiely ny Baiboly tamin’ny fiteny bengali i William Carey, dia hindoa na silamo ny ankamaroan’ny tompon-tany. Mba handikany ny teny hoe „Andriamanitra”, i Carey dia nisafidy ny teny bengali hoe „Ishwar”, izay mora azon’ny hindoa kokoa. Nandritra ny am-polontaonany nanaraka izany, dia niely ny finoana kristiana, indrindra teo amin’ireo hindoa iva razanana sy ireo animista. Tamin’ny taona 2020 dia vita dika tamin’ny teny bengali ny Baiboly manontolo, ary tamin’ity indray mitoraka ity dia nadika hoe „Allah” ny teny hoe „Andriamanitra”. Noho izany dia silamo maro no nitodika tamin’i Kristy. Matetika izy ireo dia nijanona tao amin’ny fiarahamonina nisy azy ihany, nefa nenjehina satria nitonona ho „Isai muslims”, izany hoe „ireo izay manoa an’i Jesosy”. Hitan’izy ireo fa raha tsy misy an’i Isa (Jesosy) dia tsy afaka hisy famonjena (Asan’ny Apostoly 4:12). „Eo an-tongotr’i Jesosy” no anisan’ny hiran’izy ireo : Teo amin’ny farana alina maizina, dia tonga teo an-tongotr’i Isa aho. Azoko teo am-pototry ny hazofijaliana ny famelana ireo fahotako. Tonga i Isa namafa tam-pitiavana ny ranomasoko latsaka. Kivy aho, teo amin’ny fotoana hahafatesako, no nahita fanantenana. Ho an’ny mpanota, dia izaho sy ianao, no nanolorany ny ainy teo amin’ny hazofijaliana. Ndao hitory izany vaovao mahafaly izany Eto amin’ity Bangladesh tanintsika ity.