Talata 27 Febroary 2024

Koa raha misy olona ao amin’i Kristy, dia olom-baovao izy. 2 Korintiana 5:17

Tsy izaho intsony no velona, fa Kristy no velona ato anatiko ; fa izay ivelomako ankehitriny eo amin’ny nofo dia ivelomako amin’ny finoana ny Zanak’Andriamanitra, Izay efa tia ahy ka nanolotra ny tenany hamonjy ahy. Galatiana 2:20

 

Fiovana

Nateraka indray : izany no amaritan’ny Baiboly ny kristiana, dia izay nino an’i Jesosy Kristy. „Efa lasa ny zavatra taloha, indreo, efa tonga vaovao ireo. Fa izany rehetra izany dia avy amin’Andriamanitra, Izay nampihavana antsika taminy, amin’ny alalan’i Kristy” (2 Korintiana 5:17-18). Ny toetrany vaovao dia miaina ao anatina vatana mbola anisan’izay „taloha”. Io vatana io, manana ny fahaizany, teo aloha dia nanompo ny izaho sy ny ota. Ankehitriny ny mpino dia manana ny tombontsoa hampiasa ny vatany hanompoany an’Andriamanitra ; nefa mbola eo ihany ilay toetra taloha.

Ny ain’ilay „olom-baovao” ao anatintsika dia ny ain’i Kristy. Tokony hitombo io toetra vaovao io, mba hampiseho ny toetran’i Jesosy. Midika zavatra roa izany :

— Mba hitomboana tsara, dia tsy maintsy misakafo tsara. Maro ireo fomba azo hararaotina mba hivelomana amin’i Kristy. Mamaky ny Baiboly, miresaka aminy amin’ny alalan’ny vavaka, mihaino Azy, manompo Azy, midera Azy… ; fotoana maro izany, ahafahan’ny fanahintsika ho fenon’ny momba Azy. Dia misy fiovana mitranga ao anatintsika, amin’izay. Ny saintsika, ny fiheverantsika ny fiainana dia samy voatarika amina fomba vaovao, mba hahafaly ny Tompo.

— Tsy mihaino ilay „toetra taloha”-n’ny tena, ilay fiainana mizotra tsy misy an’Andriamanitra, tsy liana amin’ny zavamisy ara-panahy. Rehefa miseho io toetra io, dia asaina isika tsy hanaiky ny faniriany, fa hahay handà, amin’ny alalan’ny vavaka sy ny herin’ny Fanahy Masina. Dia ho afaka miasa malalaka kokoa hatrany ao anatintsika ny Fanahy Masina. Izy no mampita amin’ilay aina vaovao ny hery mbamina antony manosika sy faniriana vaovao tanteraka (vakio Efesiana 4:30-32).

Tsy izany ve no tsiambaratelo-na fiainana manankarena sy mivelatra ?