Alarobia 28 Febroary 2024

Ary, indro, nisy vehivavy izay nanana fanahy mahafarofy valo ambin’ny folo taona, ary nanjoko izy ka tsy nahatraka akory… Jesosy… nanao taminy hoe : Ravehivavy, afaka amin’ny rofinao ianao. Dia nametraka ny tànany taminy Izy ; ary niaraka tamin’izay dia nitraka ravehivavy sady nankalaza an’Andriamanitra. Lioka 13:11-13

 

Atrakao ny lohantsika

Nandritra ny valo ambinifolo taona dia tsy nahatraka io vehivavy io. Inona no mba hany hitany ? Tsy nisy afa-tsy ny tongony sy ny tany diaviny. Tsy hainy natao ny nanandrandra ny masony, mba hijery ny lanitra !

Io tantara io, toy ireo maro hafa ao amin’ny Filazantsara, dia manana hevitra famantarana. Araka ny efa niainantsika, dia fantatsika fa misy entana sasantsasany mety ho tena mavesatra. Ary rariny raha miondrika any aloha ny olona mibaby kitapo be, mba tsy hianjera. Isika ve indraindray tsy voafatotr’ireo zavatry ny tany manahiran-tsaina sy manindry antsika ? Inona no mameno ny saintsika ? Ireo olantsika manokana ve ? Ny adin-tsaina ateraky ny asantsika na ny fianakaviantsika ? Angamba fiankinan-doha ? Taomin’Andriamanitra isika hametraka ireny eo anatrehany sy hanatraka ny lohantsika.

Io vehivavy io izany dia niondrika nijery ny tany nandritra ny valo ambinifolo taona. Nefa hitan’i Jesosy izy ary nantsoiny. Vao nokasihin’i Jesosy izy dia afaka nampijoro azy ny hery nivoaka avy tamin’ny tanan’i Jesosy. Dia nisy sehatra vaovao nisokatra teo anoloany : hitany Jesosy, hitany ny manodidina azy tenany, hitany ny lanitra… izany no nahatonga azy hankalaza an’Andriamanitra.

Avelao ny Tompo Jesosy hikasika ny fonao. Hiova tanteraka ny fiainanao, raha ekenao am-pinoana Izy ho Mpamonjinao manokana. Tsy ho foana angamba ireo olana eo amin’ny fiainana, nefa ho afaka manandrandra ny masonao ianao, hijery ny lanitra. Dia hameno ny fijerinao Jesosy Kristy.