Alakamisy 29 Febroary 2024

Fa nataotaony foana ny fanasitranany ny faharatran’ny oloko… tamin’ny nanaovany hoe : Fiadanana, fiadanana ; kanjo tsy misy fiadanana tsinona ! Jeremia 8:11

Akory ny hatsaran’ny tongotr’irỳ mitondra teny soa mahafaly erỳ an-tendrombohitra sady mitory fiadanana ! Dia izay mitondra teny soa mahafaly sady mitory famonjena. Isaia 52:7

 

Vaovao diso sa vaovao tsara ?

Ireo krizy nitranga vao haingana dia voamarika tsy fahazoana antoka marobe. Noho izany ireo tamba-jotran-tserasera sy haino aman-jery dia nampita vaovao marobe diso indraindray ary feno ady hevitra bontolo. Marina fa tsy zava-baovao tsy akory izany. Na izany aza anefa, ilay tranga dia nanjary nanana lanja vaovao, noho ireo fitaovam-pifandraisana nahatonga azy ho hita miharihary kokoa. Ary izany dia niteraka fisalasalana mitombo hatrany.

Miaraka amin’izany anefa, ireo tamba-jotran-tserasera sy haino aman-jery dia manome koa fotoana maro azo hararaotina mba hampielezana ireo vaovao tsara vitsy ! Ny fiarahamonina misy antsika dia nanangana ny fahasalamana ho soatoavina faratampony, ary anjakan’ny tahotra ny ho faty, araka ny safidiny ; ka mihoatra noho ny tamin’ny vanimpotoana rehetra, ny Filazantsara no ilay vaovao mahafaly, ilay hafatra mitory fiainana sy fanantenana. Ary mihoatra noho ny hafatra aza, satria olona iray no ampahafantarin’ny Filazantsara antsika, dia Andriamanitra tonga tao amin’ny tenan’i Jesosy, mba hiaina ny toetra maha olombelona antsika. Ny saran’ny vaovao mahafaly nentin’io iraka io dia ny ainy mihitsy. Tamin’ny fahafatesany mantsy Jesosy no nandringana „ilay manana ny herin’ny fahafatesana, dia ny devoly” sy nanafaka „izay rehetra nandany ny fiainany rehetra tamin’ny fahandevozana, noho ny tahotra ny fahafatesana” (Hebreo 2:14-15). Pilato dia nametraka tamin’i Jesosy fanontaniana mbola tena ara-toetrandro hoe : „Inona no marina ?” Ny valiny dia ao amin’i Jesosy irery, Ilay nametrahany izany (Jaona 18:38 ; 14:6). Ka tahotra ny ho faty àry ve, sa fanantenana ? Faniriana hifehy ny fahasalamantsika na inona na inona sarany, sa fatokiana Ilay mihazona ny androntsika eo an-tanany (Salamo 31:15) ?

Mahaiza mandray io hafatra iankinan’aina io, ao anatin’ny vaovao marobe tsy azo antoka miely.