Zoma 1 Marsa 2024
Jesosy… nanao hoe : Mino ny Zanak’Andriamanitra va ianao ? Ralehilahy namaly ka nanao hoe : Iza moa no Izy, Tompoko, mba hinoako Azy ? Hoy Jesosy taminy : Efa nahita Azy ianao, sady Izay miresaka aminao izao no Izy. Ary hoy izy : Tompoko, mino aho. Dia niankohoka teo anatrehany izy. Jaona 9:35-38
Jesosy dia nahita lehilahy iray jamba hatrany am-bohoka. Nasiany fotaka teo amin’ny mason’io jamba io, ary hoy Izy : „Andeha, sasao ny masonao any amin’ny farihy Siloama”. Dia nataony izany, ary sitrana izy no niverina !
Hafahafa ihany, fa toa tsy nisy olona faly tamin’ny fahasitranany, izay famantarana ny asan’Andriamanitra anefa : natahotra ny Fariseo ny ray aman-drenin’ilay lehilahy sitrana, gaga ny manodidina, ary ireo mpitarika ara-pivavahana niezaka hanery azy hilaza fa Jesosy dia mpanota. Nefa ilay jamba sitrana, irery nanohitra azy rehetra, dia nijoro tsara, nizotra ny lalam-pinoany. Tamin’ny voalohany izy dia niresaka lehilahy iray antsoina hoe Jesosy, avy eo mpaminany, ary avy eo lehilahin’Andriamanitra. Azony antoka anefa ny zavatra iray loha, dia hoe jamba izy teo aloha, fa mahiratra kosa ankehitriny. Nony farany dia naneho ny tenany taminy ny Tompo, nanontany azy hoe :
— „Mino ny Zanak’Andriamanitra va ianao ?”
— „Iza moa no Izy, Tompoko ?” hoy ilay jamba sitrana.
— „Efa nahita azy ianao”, hoy Jesosy. Ary ilay jamba teo aloha dia nanome ny valinteny mahafinaritra hoe :
— „Tompoko, mino aho”, ary niankohoka teo anatrehan’i Jesosy.
Iankinan’aina io fanontaniana hoe „Mino ny Zanak’Andriamanitra va ianao ?” io, fanontaniana tsy maintsy valiantsika eo anatrehan’Andriamanitra. Toy io vavolombelona sahy io, dia tsy maintsy tsapain’ireo mpanohitra ny finoantsika, tsy maintsy diovin’ny fizahan-toetra sy hatanjahin’ny fijoroantsika ho vavolombelona. Ndao ho vonona tanteraka hatoky tsy hivadika an’i Jesosy Tompo sy Mpamonjintsika, ka hilaza ihany koa hoe : „Tompoko, mino aho !” Dia ny mason’ny finoana no hibanjina Azy. Ndao hanokatra ny fontsika mba hino Azy.