Asabotsy 2 Marsa 2024
(Hoy Andriamanitra tamin’i Mosesy :) Tsy mahazo mahita ny tavako ianao ; fa tsy misy olona mahita Ahy ka ho velona. Eksodosy 33:20
(Hoy Jesosy :) Izay nahita Ahy dia nahita ny Ray. Jaona 14:9
Izay rehetra reko tamin’ny Raiko no nambarako taminareo. Jaona 15:15
Talohan’ny nahatongavan’i Jesosy Kristy dia tsy hita maso Andriamanitra, tsy naneho feno ny tenany. Ireo mpino taloha, toa an’i Abrahama, Jakoba na Davida, dia nahafantatra toetra sasantsasany nananan’Andriamanitra : ny hatsarampony, ny heriny, ny fahamasinany, sns. Nefa ampahany ihany ny fanehoana Azy tamin’izy ireo.
Ireo filazantsara dia manambara amintsika olona iray tonga avy any an-danitra mba hampahafantatra an’Andriamanitra amin’ny olona, dia Jesosy Kristy, Ilay Zanak’Andriamanitra, Izay itoeran’ny fahafenoan’ny fomban’Andriamanitra (Kolosiana 2:9).
Izy dia antsoina hoe „ny Teny”, izany hoe manambara ny fihevitr’Andriamanitra. Izy koa no Ilay „Zanaka Lahitokana, Izay ao an-tratran’ny Ray” (Jaona 1:18) : miaina ao anaty fifandraisana feno amin’ny Rainy Izy, satria iray aminy (Jaona 10:30).
Iza no afaka ho tsara toerana sy mendri-pitokisana kokoa hampahafantatra an’Andriamanitra amintsika ? Izy no „endrik’[Ilay] Andriamanitra tsy hita [maso]” (Kolosiana 1:15). Ao aminy Andriamanitra dia afaka hita sy fantatra amin’izay. Koa vakio ao amin’ireo filazantsara àry ny tantaran’ny fiainan’i Jesosy. Andriamanitra dia maneho ny tenany ao amin’io Lehilahy nidina avy any an-danitra io (Jaona 3:13). Ho hitanao Andriamanitra tenany mihitsy sy ny fangorahany ny zanak’olombelona mijaly.
Jereo ny fomba fiasan’i Jesosy rehefa nifanehatra tamin’ny fijaliana, aretina, fahafatesana. Am-pitiavana toy inona moa no nandraisany ny ankizy madinika, am-piaraha-miory toy inona no nampiononany ireo mana-manjo !
Araho ao amin’ireo filazantsara Izy, ary henoy (Lioka 9:35).
Ao no hahitanao valiny mampitony amin’ireo fanontanianao. Ho hitanao ao Ilay Mpamonjy nomen’Andriamanitra antsika.
(hitohy)