Alahady 3 Marsa 2024
(Hoy Jesosy :) Raha nahafantatra Ahy ianareo, dia ho nahafantatra ny Raiko koa… Izay nahita Ahy dia nahita ny Ray… Fa ny Ray mitoetra ato amiko no manao ny asa. Jaona 14:7-10
Jesosy… nandehandeha nanao soa sy nahasitrana izay rehetra azon’ny herin’ny devoly. Asan’ny Apostoly 10:37-38
Rehefa mamaky ireo filazantsara isika dia mahita an’Andriamanitra tonga nofo tao amin’ny Zanany. Hitantsika i Jesosy :
— manoloana ny aretina : „Izay narary rehetra dia nositraniny avokoa… Izy naka ny rofintsika sy nitondra ny aretintsika” (Matio 8:16-17).
— manoloana ny fahafatesana : „Ary Jesosy nony nahita azy (Maria) nitomany… dia vonto ny fanahiny, ka toran-kovitra Izy… Jesosy nitomany” (Jaona 11:33-35).
— manoloana vahoaka noana : „Mahonena Ahy ireo vahoaka, fa… tsy manan-kohanina izy ; koa raha ampodiko ho any an-tranony mbola tsy nihinana izy, dia ho reraka eny an-dàlana, sady avy lavitra ny sasany” (Marka 8:2-3).
— manoloana ankizy madinika : „Ary nisy nitondra zazakely ho eo aminy mba hametrahany tànana… Ary nitrotro azy Izy, dia nametra-tànana taminy ka nitsodrano azy” (Marka 10:13-16).
Mbola misy ohatra maro hafa !
Isika ve ho sahy hilaza fa tsy miraika Andriamanitra, any an-danitra any, mijery ireo marary izay mangirifiry, ireo mana-manjo, ireo vahoaka noana, na ireo ankizy madinika mijaly ?
Tsia ! Fa nanomboka tamin’ny nanotany tao an-tsaha Edena, dia nitodi-damosina an’Andriamanitra ny olona, ka mijinja ny vokatra mahory naterak’izany. Nofidin’izao tontolo izao ho lohany i Satana (Jaona 14:30), ilay tompo lozabe, tsy mahalala fitiavana, ary manosika ny olona hikomy amin’Andriamanitra.
Mba hahafantaranao hoe iza moa Andriamanitra, dia diniho ny fiainan’i Jesosy, ny fihetsiny manoloana ny fijaliantsika… Izany no valiny ho an’ireo miampanga an’Andriamanitra ho fototry ny fahorian’ny zanak’olombelona.
(hitohy)