Alatsinainy 4 Marsa 2024

Fa toy izao no nitiavan’Andriamanitra izao tontolo izao : nomeny ny Zanany Lahitokana, mba tsy ho very izay rehetra mino Azy, fa hanana fiainana mandrakizay. Jaona 3:16

Andriamanitra dia fitiavana. Izao no nanehoana ny fitiavan’Andriamanitra antsika : Andriamanitra naniraka ny Zanany Lahitokana tamin’izao tontolo izao, mba hahavelona antsika amin’ny alalany. 1 Jaona 4:8-9

 

Raha tianao ho fantatra… (3)

Ny fiainan’i Jesosy dia mampiseho ny fitiavan’Andriamanitra ny zanak’olombelona nikomy, mijaly noho ny vokatry ny ota.

Jesosy tokoa mantsy dia nandehandeha nitety toerana maro, nanao soa, nefa nanambara ny marina ihany koa, hany ka nanjary tsy nila Azy intsony ireo mpitarika ara-pivavahana. Noho izany izy ireo dia nisambotra Azy, nitondra Azy teo amin’i Pilato, niampanga Azy tsy ara-drariny ; navelan’i Jesosy hanaram-po izy ireo. Niantsoantso ny vahoaka, nitaky ny hamonoana Azy ; dia natolotr’i Pilato azy ireo Jesosy, hanamparan’izy ireo ny fankahalany Azy…

Toy izany no nanilihana ny Zanak’Andriamanitra, nohomboana teo amin’ny hazofijaliana, teo anelanelana jiolahy roa lahy.

Nandritra ireo adiny telo voalohany dia nesoesoina Jesosy. Nihantsy an’Andriamanitra Rainy mihitsy aza ny olona, mba hanafahany Azy, „raha ankasitrahiny Izy” (Matio 27:43). Andriamanitra dia nanambara ampahibemaso fa Zanany malalany Izy (Lioka 3:22), nefa ankehitriny kosa dia navelany hiteny izy ireo…

Nandritra ny adiny telo nanaraka dia nisy haizim-pito nanarona ny tany. Nitondra ny fahotantsika Jesosy, nanonitra izany, „natao ota ho antsika”, Izy „Ilay Masina sy Marina” (2 Korintiana 5:21 ; Asan’ny Apostoly 3:14). Dia nahafoy Azy Andriamanitra, tsy namaly ny antsony (Matio 27:46).

Maty Jesosy, rehefa niteny hoe : „Vita” (Jaona 19:30). Nalevina tao am-pasana Izy, nefa natsangan’Andriamanitra, telo andro tatỳ aoriana.

Nanomboka hatreo Andriamanitra dia afaka mamela heloka sy mamonjy ny mpanota rehetra izay mino an’i Jesosy, nefa toy inona moa ny saran’izany !

Raha te hahafantatra marina ianao hoe iza moa Andriamanitra, dia jereo ny hazofijaliana. Ambaran’izy io ny fahamasinan’Andriamanitra manoloana ny fahotanao, ny fitiavan’Andriamanitra anao mpanota, ary ny sarany nanombanany anao —„Andriamanitra dia mazava… Andriamanitra dia fitiavana” (1 Jaona 1:5 ; 4:8).

(tapitra)