Talata 5 Marsa 2024

Sambatra ny olona izay voavela ny helony sy voasarona ny fahotany. Salamo 32:1

Fa ny vokatry ny Fanahy kosa dia fitiavana, fifaliana, fiadanana, fahari-po, fahamoram-panahy, fanaovan-tsoa, fahamarinana, fahalemem-panahy, fahononam-po. Galatiana 5:22-23

 

Ny fifalian’ny kristiana

E ! ny fiadanana omen’i Jesosy Dia tsy fantatro teo aloha ; Mamiratra avokoa ny zava-drehetra eo amin’ny lalako, Nanomboka tamin’ny nitarihany ny diako !

Mihira ny hasambarany ny kristiana. Izao no antony :

— Fantany fa Jesosy dia nitondra ireo fahotany teo amin’ny hazofijaliana sy nizaka ny fitsaran’Andriamanitra ireo. Fiadanam-po toy inona moa no vokatr’izany !

„Satria efa nohamarinina tamin’ny finoana isika, dia manana fihavanana amin’Andriamanitra, amin’ny alalan’i Jesosy Kristy Tompontsika” (Romana 5:1). Fantany fa voavela heloka izy, tsy mitambesatra aminy intsony ny vesatr’ireo fahadisoany.

— Satria nino an’i Jesosy ny kristiana, dia mandray toetra vaovao, toetran’Andriamanitra. „Izay rehetra mino fa Jesosy no Kristy dia naterak’Andriamanitra” (1 Jaona 5:1). Io toetra io, izay velomin’ny Fanahy Masina, no manome azy ny hery hahafantarany ny tena fahafahana. Tsy andevon’ny ota intsony izy, satria afaka mandresy azy, amin’ny alalan’ny finoana. Ny tenany dia „tempolin’Andriamanitra”, „mitoetra ao anatiny” (1 Korintiana 3:16) ny Fanahy Masina. Manana tombontsoa izy, afaka mitondra tena mendrika an’Andriamanitra.

— Ny kristiana dia manana ny fiainana mandrakizay. „Izay mino ny anaran’ny Zanak’Andriamanitra… manana fiainana mandrakizay” (1 Jaona 5:13). Tsy atahorany intsony ny fahafatesana.

— Ny mpino dia manana hoavy sy fanantenana : fantany izay hitoerany mandritra ny mandrakizay. Hoy Jesosy : „Handeha hamboatra fitoerana ho anareo Aho, dia ho avy indray ka handray anareo ho any amiko” (Jaona 14:3).

Mahafantatra izany fifaliana izany ve ianao ?