Alarobia 6 Marsa 2024

Koa raha misy olona ao amin’i Kristy, dia olom-baovao izy ; efa lasa ny zavatra taloha, indreo, efa tonga vaovao ireo. Fa izany rehetra izany dia avy amin’Andriamanitra, Izay nampihavana antsika taminy amin’ny alalan’i Kristy. 2 Korintiana 5:17-18

 

Tsy nisy nilaza tamiko hoe tia ahy Jesosy

Volana Mey 1984. Tsy maintsy hovonoina i William Neal Moore, nogadraina efa 16 taona satria namono olona, ary nambenana mafy tany amin’ny fonjan’ny fanjakan’i Géorgie.

Ora vitsy monja talohan’ny hamonoana azy, dia gaga be ny olona rehetra, satria namoaka didy mampihantona vonjimaika izany ny fitsarana. Ary mbola nahagaga kokoa, niara-nanapa-kevitra hamela azy ho velona sy hanafaka azy ny Komitin’ny fanafahana sy ny fanafoanan-tsazy any amin’ny Fanjakan’i Géorgie.

Izao no fanazavana : fotoana fohy taorianan’ny nanagadrana azy dia notsidihina kristiana roa i Moore, noho ny fangatahana mafy nataon’ny reniny. Noresahin’izy ireo azy ny fahasoavana sy fanantenana atolotr’Andriamanitra ao amin’i Jesosy Kristy. Afaka nijoro ho vavolombelona i Moore, tatỳ aoriana, hoe : „Tsy nisy mihitsy nilaza tamiko fa tia ahy Jesosy ary maty hamonjy ahy. Fitiavana afaka notsapaiko izany, fitiavana niriko. Io ilay fitiavana nilaiko”. Tamin’io andro io izy dia namaly „eny” ny antson’i Jesosy, namaly ny fanomezany maimaimpoana ny famelan-keloka sy ny fiainana mandrakizay. Nisokatra ho amin’ny hery fanovàn’ny Fanahin’Andriamanitra ny fon’i Moore. Nanomboka tamin’izay fotoana izay dia nanjary olona hafa izy. Vavolombelon’i Kristy teo amin’ireo voafonja izy. Maro ny nanjary kristiana, nilamina kokoa ny faritry ny fonja nisy azy. Nomena anaram-bosotra hoe „mpampihavana” mihitsy aza izy.

Ny 8 novambra 1991 dia nivoaka ny fonja i Moore.

Niditra an-tsehatra tamin-kery Andriamanitra, tamin’ny famelany heloka an’i Moore teo amin’ny fiainany. Ny fahasoavana niteraka azy indray dia mirotsaka amin’ireo rehetra mandray ny famelan-keloka avy amin’Andriamanitra sy miala amin’ny fahotany, mba hanaraka an’i Jesosy.