Alakamisy 7 Marsa 2024

Raha mita ny rano ianao, dia homba anao Aho… Raha mandeha mamaky ny afo ianao, dia tsy ho may, ary tsy hirehitra aminao ny lelafo. Isaia 43:2

Ny fizahan-toetra ny finoanareo dia mahatonga faharetana. Jakoba 1:3

 

Ny finoantsika : vy vita ofana

Ny fanofanana ny vy (hafanaina hanjary mena, avy eo ampangatsiahina tampoka) dia mahatonga azy ho mafy kokoa. Ho amin’izany, ny mpanefy dia mampiasa ny afo sy ny rano. Toy izany koa, mety hisy endrika maro ny fitsapana ny mpino, nefa miara-miasa ireo, hanefy ny finoany.

— Ny fitsapana dia mampianatra antsika ny faharetana. Sedrain’ny sakana rehetra eo amin’ny lalantsika izy io. Dia apetraka an-jorombala ny sitrapontsika, fa ny sitrapon’Andriamanitra no ekena satria tsara (Romana 12:2).

— Ny fitsapana dia mampianatra antsika hahery fo. Ny fitsapana no ahafahana miaina ny fahasoavan’Andriamanitra, izay manohana rehefa tsy maintsy miatrika fijaliana. Izy no manofana antsika mba hijoroantsika hatramin’ny farany, tahaka miaramila tsaran’i Jesosy Kristy.

— Ny fitsapana miara-lalovana amin’i Jesosy dia mampahafantatra antsika ny fahasoavany velona, izay momba antsika. Ny fitsapana no mampiseho izay hay-na fiainana miaraka amin’i Kristy tanterahina, na dia ao anatin’ny fijaliana aza. Izy io no manaporofo fa ampy Kristy, amin’ny toejavatra rehetra.

— Ny fitsapana dia mahatonga antsika hahay manampy ny hafa, amin’ireo lesona voaraintsika nandritra izay zava-niainantsika manokana. Omanin’ny Tompo sy ampiasainy koa isika avy eo, mba hampionona, hanatanjaka ary hampahery ny namantsika.

„Isaorana anie Andriamanitra, Rain’i Jesosy Kristy Tompontsika, Rain’ny famindrampo sady Andriamanitry ny fampiononana rehetra, Izay mampionona anay amin’ny fahorianay rehetra, mba hahaizanay mampionona izay rehetra mitondra fahoriana kosa” (2 Korintiana 1:3-4).

— Farany, ny fitsapana dia mampanakaiky antsika amin’i Kristy ary mampianatra antsika hahafantatra Azy tsara kokoa.