Zoma 8 Marsa 2024
Hoy Jesosy taminy : Izaho no fananganana ny maty sy fiainana ; izay mino Ahy, na dia maty aza, dia ho velona indray. Ary izay rehetra velona ka mino Ahy dia tsy ho faty mandrakizay. Mino izany va ianao ? Jaona 11:25-26
Ny nitsanganan’i Lazarosy velona indray dia dingana fototra eo amin’ny fanambarana ny maha Izy Azy an’i Jesosy Kristy, noho ny tantaran’io tranga io eo afovoan’ny Filazantsara nosoratan’i Jaona, noho ny herin’ilay famantarana, izay miavaka indrindra amin’ireo fahagagana.
Narary ny lehilahy iray antsoina hoe Lazarosy. Na teo aza ny fitiavan’i Jesosy azy mbamin-dry Marta sy Maria anabaviny, dia tsy nankany amin’ilay sakaizany efa ho faty Izy. Ny tantara dia manoritra manokana ny fahorian’ireto anabavy, nefa ihany koa ny finoan’izy ireo an’i Jesosy : „Tompoko, raha teto Ianao, dia tsy maty ny anadahiko”. Ny fara tampon’ny resak’i Jesosy sy Marta taorianan’izany dia ny fanontanian’i Jesosy hoe : „Izaho no fananganana ny maty sy fiainana… Mino izany va ianao ?” Marta dia nino ny fananganana ny maty rehetra, amin’ny andro farany ; Jesosy kosa nitarika azy ho amina finoana Azy manokana.
Mino izany va ianao ? Novalian’i Marta hoe „Eny, Tompoko !” io fanontaniana fohy io. Tsy niova anefa ny toerana nisy an’i Marta : mbola ao am-pasana ihany ny fatin’ny anadahiny. Mbola mafy hatrany ny alahelony, nefa dia sahy izy nandray ilay tanana nitsotra sy hanampy azy hiaina amina endrika hafa ny fitsapana mihatra aminy. Na teo aza ny fahoriany, dia vitany ny nanambara mafy ny finoany an’i Jesosy, Izay nekeny ho Ilay Kristy, Ilay Zanak’Andriamanitra. Mbola niresaka tamin’i Maria koa Jesosy, avy eo dia nankany amin’ny fasan’i Lazarosy ary nanangana azy ho velona indray.
Jesosy dia tonga teto amin’ity tontolo feno fahoriana sy fahafatesana misy antsika ity, mba hitondra ny fiainana mandrakizay ho antsika, noho ny sorona nataony teo amin’ny hazofijaliana. Izay mino Azy, na dia maty aza, dia hitsangana velona, indray andro any, rehefa antsoin’Ilay Zanak’Andriamanitra.
Mino izany va ianao ? Fanontaniana mipetraka amintsika ihany koa izany.