Asabotsy 9 Marsa 2024

Koa samy hampamoahin’Andriamanitra ny amin’ny tenany avy isika rehetra. Romana 14:12

Andriamanitra dia lehibe loatra ka tsy leon’ny zanak’olombelona. Koa nahoana no manome tsiny Azy ianao noho ny tsy nampisehoany izay antony amin’ny ataony ? Joba 33:12-13

 

Na iza na iza, tsy mahazo manadina ahy !

„Izay tiako no ataoko” ; „Tsy mila an’iza na iza aho”. Na koa „Tsy fahadisoako izany, fa izy no nihantsy ahy”… Fiteny fandre ireo, fitenin’olona mihevitra ho afaka mitondra ny fiainany araka izay tiany.

Iray ihany no tsy azon’iza na iza adinina, dia Andriamanitra. Isika, izay voariny, dia mbola hampamoahiny. Aoka hitandrina, satria hosivanina ny teny rehetra ataontsika. Mampitandrina antsika Jesosy hoe : „Hampamoahina ny olona, amin’ny andro fitsarana, noho ny amin’ny teny foana rehetra izay ataony” (Matio 12:36). Dia hanao ahoana izany ny amin’ireo teny feno avonavona na faniratsirana natao ?

Eny, tompon’andraikitra aho amin’ny teniko sy ny fitondrantenako, ny fitodiky ny fiainako, ny fampiasako ny fotoanako… Nefa tsy izaho tsy akory no tompon’ny tenako. Indray andro any Andriamanitra dia hiteny amiko hoe : Nomeko saina, fahasalamana, fahafaha-manao zavatra maro ianao, inona no nanaovanao ireo fanomezana rehetra ireo ? „Mamoaha ny amin’ny fitandremanao ny fananako” (Lioka 16:2). Hiteny koa Izy hoe : Indray andro izay Aho, tamin’ny taona 2024, dia niteny taminao ; nanao ahoana no fihainonao, tamin’io andro io ? Inona no nanaovanao an’i Jesosy Kristy ? Iza moa Izy aminao ?

Isika ve, dieny ankehitriny, afaka mandray ho antsika ireto teny fiainana ireto ? „Izy no Andriamanitra marina sy fiainana mandrakizay” (1 Jaona 5:20). „Fiainana mandrakizay no omen’Andriamanitra antsika, ary ao amin’ny Zanany izany fiainana izany. Izay manana ny Zanaka no manana fiainana ; izay tsy manana ny Zanak’Andriamanitra no tsy manana ny fiainana… Izay mino ny anaran’ny Zanak’Andriamanitra… manana fiainana mandrakizay” (1 Jaona 5:11-13).