Alahady 10 Marsa 2024

Ary tamin’ny ora fahasivy Jesosy dia niantso tamin’ny feo mahery ka nanao hoe : Eloy, Eloy, lamà sabaktany ! izany hoe, raha adika : „Andriamanitro ô, Andriamanitro ô, nahoana no dia mahafoy Ahy Ianao”. Marka 15:34

Izay (Andriamanitra) tsy niaro ny Zanany lahy, fa natolony hamonjy antsika rehetra Izy. Romana 8:32

 

Andriamanitro ô, nahoana no dia nahafoy Ahy Ianao ?

Eloy, Eloy, lamà sabaktany ? Andriamanitro ô, Andriamanitro ô, nahoana no dia nahafoy Ahy Ianao ? Izany no antsoantsonao, ry Tompo Jesosy, tamin’ny feonao mahery, Hiaka nakarinao any an-danitra, izay nikatona anefa. Nahoana, ry Tompo, no dia nafoy Ianao ? Nefa tamin’ny alalan’ny Fanahinao dia niteny i Davida hoe : „Tsy mbola hitako izay marina nafoy.” Tsy Ianao ve no Ilay hany Marina hitan’izao tontolo izao ?

 

Andriamanitro ô, Andriamanitro ô, nahoana no dia nahafoy Ahy Ianao ? Tsy nisy teny tonga namaly ny antsoantsonao. Nihidy ny lanitra, matroka sy maizina. Maizina ny andro tamin’ny antoandrobenanahary. Tao anatin’io haizina antoandro io dia tsy nisy afaka nahita Ny endrikao nijaly na ny vatanao rotidrotika ; Tsia, tsy nisy olombelona teo afaka nahalala hoe Toy inona ny fijalianao, nanonitra ny fahotanay.

 

Satria nafoin’Ilay Andriamanitrao Ianao Mba hitondra ny vesatra manontolon’ny tsy fahamarinako. Ianao, Ilay Marina sy Ilay Masina, Izay tsy mba nanota mihitsy, No nanefa ny saran’ireo heloka bevava maro nataoko ! Andriamanitro ô, Andriamanitro ô, nahoana no dia nahafoy Ahy Ianao ? Tsy nisy namaly io antsoantso nahangirifiry io… Nefa ankehitriny kosa dia tohina fo aho, afaka miteny hoe : Ho ahy, eny, ho ahy izany, satria tia ahy Ianao, ry Jesosy ô !
E.M.