Alatsinainy 11 Marsa 2024

Miomàna hihaona amin’Andriamanitrao. Amosa 4:12

Dia ho any amin’ny Tompo mandrakariva isika. 1 Tesaloniana 4:17

 

Miomana hihaona amin’Andriamanitra

Paris, takarivan’ny 14 marsa 2020. Mba hanoherana ny fihanaky ny coronavirus, izay nampitebiteby mafy, dia vao nanambara ny governemanta frantsay hoe akatona amin’ny misasakalina ny toerana rehetra mandray vahoaka, izay tsy dia ilaina loatra amin’ny fiainan’ny firenena, mandra-pisy didy vaovao. Tanora an-jatony maro no nivangongo tany amin’ny toeram-pisotroana, tsy nahatsapa ny loza, te hanararaotra io takarivam-pahafahana farany io.

„Ndao hisotro, satria efa ho faty daholo !” hoy aza ny teny-na mpilanonana iray, narahin’ny hehy ranovaky ny namany. Ako mahatahotra-na teny ao amin’ny Baiboly io, nilazan’ny apostoly Paoly ireo tsy mivelona afa-tsy ho an’ny ankehitriny : „Aoka isika hihinana sy hisotro, fa rahampitso dia ho faty” (1 Korintiana 15:32). Tsy izany ve no teny filamatr’olona marobe nandritra ny taonjato mifandimby ? Efa tamin’ny andron’i Noa, dia „nihinana izy, nisotro izy… dia tonga ny Safodrano” ; ary tatỳ aoriana, tamin’ny andron’i Lota, „nihinana izy, nisotro izy”… dia naringana tamin’ny afo i Sodoma (jereo Lioka 17:26-29). Ny tsy firaikana, na ny fahafinaretana mitambolimbolina, dia samy tsy afaka manafina ny fe-potoana tsy hay ihodivirana apetraka eo anoloan’ny olona tsirairay, dia ny fahafatesana, avy eo ny fifanatrehana amin’Andriamanitra (andinin-tSoratra Masina voalohany androany).

Ahoana no fomba hiomanana tsara indrindra amin’io fihaonana io ?

Soa fa efa nomanin’Andriamanitra ny zava-drehetra : tonga teto amin’izao tontolo izao Jesosy Kristy Zanany. Maty teo amina hazofijaliana Izy, ary „nitondra ny fahotantsika tamin’ny tenany teo ambonin’ny hazo” (1 Petera 2:24). Koa izay mijery am-pinoana an’i Jesosy dia afaka amin’ny fahamelohany eo anatrehan’Andriamanitra. Andrasany am-piadanana sy fahazoana antoka io fotoana hihaonany amin’Ilay Mpamonjiny sy Tompony io, hiarahany miaina aminy ny fahasambarana mandrakizay (andinin-tSoratra Masina faharoa androany) — Mba izany ve no ho anjaranao ?