Talata 12 Marsa 2024
Jehovah no fahazavako sy famonjena ahy ; iza no hatahorako ? Jehovah no fiarovana mafy ho an’ny aiko ; iza no hangovitako ? Salamo 27:1
(Hoy Jesosy tamin’ireo mpianany raiki-tahotra :) Matokia, fa Izaho ihany, aza matahotra. Matio 14:27
Tao an-tsaha Edena, rehefa tsy nankatò an’Andriamanitra i Adama, ilay olona voalohany, dia natahotra (Genesisy 3:10). Nanomboka hatreo dia nameno ny sain’ny olona ny tahotra, ny fanahiana, ny tebiteby. Maro ireo zava-dratsy tsy ahitana vahaolana, dia ny aretina, ny fijaliana vokatr’izany, ny fahanterana sy ny fahosana mifandraika amin’ny taona mandroso, ireo zava-doza mitranga ankehitriny, ny hoavy tsy azo antoka, fahatsinjovana matroka maro aoka izany tsy voafehintsika… Ary eo koa ny tahotra ny fahafatesana, „ilay mpanjaka mampahatahotra indrindra” (Joba 18:14).
Nahoana moa no misy antony mahatahotra maro toy izany ? Ny fitiavan-karena, ny fitokiana amin’ny fandrosoana sy ny haitao, ny finoana olona sy ireo rijakeviny rehetra dia nandroaka ny finoana an’Andriamanitra tsy ho ao an-tsaintsika intsony. Ny tsy fisiana fifandraisana velona amin’Ilay Mpahary antsika dia mamela banga lehibe ao anatin’ny fo ary miteraka ireo tahotra rehetra ireo. Koa ilaina ny mihevitra izay mahafoana io habangana io.
Jesosy, Ilay Zanak’Andriamanitra, dia tonga tetỳ an-tany mba hamerina ny olona very ho amin’Ilay Mpahary azy. Ho amin’izany, Jesosy dia nandray teo amin’ny tenany ny vokatra rehetra nateraky ny tsy fankatoavantsika, ary nizaka teo amin’ny hazofijaliana ny sazin’izany. Izay mino Azy dia manana fifandraisana vaovao amin’Andriamanitra, ary fiainana mandrakizay amin’ny alalan’i Jesosy. Nitsangana velona indray Jesosy, nandresy ny fahafatesana. Ny mpino dia afaka miantso an’Andriamanitra hoe Rainy. Tia antsika loatra Izy ka nanome ho antsika ny Zanany Lahitokana (Jaona 3:16). Amin’ny alalan’i Jesosy isika dia afaka miresaka aminy, afaka mihaino Azy amin’ny famakiana ny Baiboly. Dia handroaka ny tahotra ao anatintsika Izy ary hampiaina antsika ao anatin’ny fiadanany, „izay mihoatra noho ny fahalalana rehetra” (Filipiana 4:7). Hanome antsika „fampiononana mandrakizay sy fanantenana tsara amin’ny fahasoavana” Izy (2 Tesaloniana 2:16).