Alarobia 13 Marsa 2024

Ary tsy misy famonjena amin’ny hafa (afa-tsy Jesosy) ; fa tsy misy anarana hafa ambanin’ny lanitra nomena ny olona, izay hahazoantsika famonjena. Asan’ny Apostoly 4:12

 

Olona iray no lalana

Nisidina teny ambonin’ilay ala midadasika sy mikitroka tsy hay idirana any Vietnam ity mpanamory fiaramanidina iray an’ny tafika. Tampoka teo dia nihanandeha miadana ny môtera, ary nijanona tanteraka. Teo no ho eo ihany ilay mpanamory dia nitsambikina niala tao anatin’ilay fiaramanidina, ary nanokatra ny elonainany. Rehefa hipaka amin’ny tany, dia nihantona tamin’ny rantsan’ny hazo iray ilay elonaina. Nihantona toy izany izy, tsy nahavita niala teo… Tsitapitapitr’izay dia injany nisy kotaba ! Mponina iray tao amin’io faritra mitoka-monina io, nahita ny loza nitranga, no nanavatsava ny kirihitrala ka nanafaka azy tamin’izany toerana nampamoy fo izany. Rehefa tafajoro tamin’ny tany ilay mpanamory, nony farany, dia nijery ny manodidina azy, saingy tsy nahita lalan-kivoahana. Nanao izay hahatakaran’ilay nanavotra azy izy hoe mila mahita lalana. Ahoana no hivoahany tao amin’io ala io ? Nasehon’ilay lehilahy hoe tsy misy arabe, fa izy no hanokatra ny lalana ! Tsy niteny tsy nivolana izy, fa nisava lalana tamin’ny antsibeny. Nanaraka azy am-patokiana ilay mpanamory, dia tafavoaka tao amin’ilay ala mikitroka.

Tsy maneho ny toerana misy antsika ve izany ? Nanalavitra an’Andriamanitra isika, ary tsy mahay miverina amin’Ilay Mpahary antsika, amin’ny herintsika samirery. Koa tonga Jesosy Kristy, nitsena antsika ary niteny tamintsika hoe : „Izaho no làlana sy fahamarinana ary fiainana ; tsy misy olona mankany amin’ny Ray, afa-tsy amin’ny alalako” (Jaona 14:6). Jesosy irery ihany no mahay manafaka sy mamonjy antsika ary mitondra antsika ho amin’Andriamanitra. Matoky Azy ve isika, mba hanaraka Azy ? Hoy Jesosy tamin’i Petera mpianany : „Fa manaraha Ahy ianao” (Jaona 21:22).

„Minoa an’i Jesosy Tompo, dia hovonjena ianao” (Asan’ny Apostoly 16:31).