Alakamisy 14 Marsa 2024
Ny lehilahy dia handao ny rainy sy ny reniny ka hikambana amin’ny vadiny ; ary dia ho nofo iray ihany izy roroa, ka dia tsy roa intsony izy, fa nofo iray ihany. Koa amin’izany, izay nampiraisin’Andriamanitra dia aoka tsy hampisarahin’olona. Matio 19:5-6
Aoka hanan-kaja amin’ny olona rehetra ny fanambadiana. Hebreo 13:4
Vao any amin’ireo pejy voalohany ao amin’ny Baiboly isika dia mahita ny fanorenana ny fanambadiana, fikambanana lehilahy iray sy vehivavy iray mba hifankatia, hiara-manompo an’Andriamanitra, hanan-janaka sy hanorina ankohonana. Ampahafantarin’Andriamanitra antsika ny fototra iorenana fanambadiana sambatra, izany no iriny ho an’ny mpivady.
Ndao hametraka ny fanambadiantsika eo ampelatanan’Ilay Andriamanitsika Tsitoha, mba hanomezany ny fitiavana, ny fatokiana, ny fifaliana sy fahafinaretana hoe miaraka.
Nefa ao amin’ny fanambadiana, na samy mpino aza, dia misy zava-tsarotra lehibe mitranga indraindray, ary mieritreritra hisara-toerana ny sasantsasany, na hisara-panambadiana mihitsy aza. Ho an’ireo izay te hiaina fiainam-panambadiana manome voninahitra an’Andriamanitra, ny hetaheta iraisany dia ho izay mampiray sy mampifanakaiky hatrany… tsy mieritreritra mihitsy ny fisarahana ho vahaolana. Amin’ny vavaka ataon’ny tsirairay manokana sy vavaka iraisany no ahafahany mandresy sy mahita indray ny fiadanana. Misy tsato-by mpanondro lalana, tsy azo ihoarana : „mba tsy ho voasakana ny fivavahanareo (miaraka)” (1 Petera 3:7). Ny fanambadiana dia fanekena mitaky izany firesahana amin’Andriamanitra sy ny Teniny izany, mba hanamboarana izay mety ho simba na potika. Tsy ao anatintsika ny hery, fa ao amin’Andriamanitra, Izay mahita antsika, mihaino antsika, ary mamaly amin’ny fomba samihafa ireo miantso Azy am-patokiana.
Ry kristiana, aza hadinointsika fa ny fitiavana apetrak’Andriamanitra ao am-pontsika dia fitiavana manome sady manolotra ny tena. „Ny fitiavana… tsy mitady ny azy” (1 Korintiana 13:5). Ao anaty sehatry ny fanambadiana, ny fitiavana dia mampianatra ny tsirairay hihevitra ny vadiny alohan’ny hiheverany ny tenany. Io fitiavana io dia maka tahaka an’i Kristy, Ilay nitia ny Fiangonana ka nanolotra ny tenany hamonjy azy (Efesiana 5:25).