Zoma 15 Marsa 2024
Ary satria fantatr’i Jesosy izay rehetra hanjo Azy, dia nivoaka Izy ka nanao tamin’ireo hoe : Iza moa no tadiavinareo ? Ary ireo namaly Azy hoe : Jesosy avy any Nazareta. Hoy Jesosy taminy : Izaho no Izy. Jaona 18:4-5
Alina ny andro tao an-tendrombohitra Oliva, izay nivorian’i Jesosy sy ny mpianany matetika. Tony ny zavatra rehetra, kanjo indro nisy andia-miaramila nitondra fanala sy jiro ary fitaovam-piadiana, tonga mba hisambotra an’i Jesosy. Tsy i Jodasy, iray tamin’ny mpianatra roa ambin’ny folo, na ny miaramila, no nanoro an’i Jesosy. Izy tenany no nandroso ka nanontany azy ireo hoe :
— Iza no tadiavinareo ?
— Jesosy avy any Nazareta, hoy ireo miaramila namaly.
— Izaho no Izy.
Dia nihemotra izy ireo, ary nianjera tamin’ny tany.
Fihaonana hafahafa : eo anatrehan’izy ireo ny Tompo tsitoha, nefa tsy fantany izany.
Dia mbola nanontany azy ireo indray Jesosy hoe :
— Iza no tadiavinareo ?
— Jesosy avy any Nazareta. Namaly Jesosy hoe :
— „Efa nolazaiko taminareo fa Izaho no Izy”, dia nangataka tamin’izy ireo hamela ny mpianany handeha, ary tsy nampiasa ny sabatra notadiavin’i Petera hampiasaina mba hiarovany Azy.
Nandritra ny tantaran’ny finoana kristiana, ary mandraka ankehitriny, dia notadiavina mandrakariva ny „hisambotra” an’i Jesosy. Ny sasany mandà ny fisiany, ny hafa mandà ny teniny, mandà izay nolazainy momba ny tenany, ny hafa indray tsy te hino ny nitsanganany velona indray.
Na izany aza anefa dia maro ny nihaona taminy, indray andro, ka nanjary tonga saina hoe iza marina Izy. Ho an’ny olona, dia Izy no Jesosy avy any Nazareta, fa ny kristiana kosa mahalala fa Izy no Ilay Zanak’Andriamanitra. Indray andro any, ny olona rehetra dia hiankohoka eo anatrehany ka hanome voninahitra Azy, Izy Ilay Zanak’ondrin’Andriamanitra (Apokalypsy 5:13).