Asabotsy 16 Marsa 2024

… Nampitenenany (Andriamanitra) tamintsika ny Zanany, Izay voatendriny ho Mpandova ny zavatra rehetra ; Izy no nahariany izao tontolo izao, Izy koa no famirapiratan’ny voninahiny sy endriky ny tenany indrindra, ary mihazona ny zavatra rehetra amin’ny herin’ny teniny. Hebreo 1:2-3

Jesosy Kristy. Izy no Andriamanitra marina sy fiainana mandrakizay. 1 Jaona 5:20

 

Ny maha Andriamanitra an’i Kristy

Vao tsy ela dia nisy olona nanontany ahy hoe : „Andriamanitra ve Jesosy Kristy ? Sa Zanany fotsiny ihany ?”

Fanontaniana fototra io. Hoy ny Baiboly amintsika : „(Ianareo) izay mino ny anaran’ny Zanak’Andriamanitra… manana fiainana mandrakizay” (1 Jaona 5:13). Ny finoantsika dia miorina amina olona iray. Koa zava-dehibe izany ny mahafantatra hoe iza no inoana.

Tonga tetỳ an-tany Jesosy Kristy mba hitondra ny fahotan’ireo rehetra miaiky fa mpanota ary mitodika aminy. Koa ny tsirairay amin’izy ireo dia mahazo antoka fa voavela heloka, ary Kristy no manjary ivon’ny fiainany.

Ao amin’ny Baiboly dia zava-miafina ny fanehoan’Andriamanitra ny tenany, amin’ny fomba miavaka, ho Andriamanitra Ray, Andriamanitra Zanaka, ary Andriamanitra Fanahy Masina.

Ny Filazantsara araka an’i Jaona dia maneho manokana ny maha Andriamanitra an’i Jesosy. Izy tenany mihitsy no manambara hoe : „Izaho sy ny Ray dia iray ihany” (Jaona 10:30). „Raha nahafantatra Ahy ianareo, dia ho nahafantatra ny Raiko koa… Izay nahita Ahy dia nahita ny Ray” (14:7, 9). Naseho ho Ilay Teny tonga nofo Kristy (1:14), ka voasoratra hoe : „Ny Teny dia Andriamanitra” (1:1).

„Kristy… ambonin’izy rehetra, Andriamanitra isaorana mandrakizay” (Romana 9:5).

Noho izany, Jesosy Kristy, Izay olona sady Andriamanitra, dia nanjary olona toa antsika, saingy tsy nanana ota, ary nihazona ny toetra maha Andriamanitra Azy. Nandray ny fomba maha olona antsika Izy. Izy irery no hany afaka ho mpanelanelana eo amin’Andriamanitra sy ny olona, „Kristy Jesosy, Izay olona, sady nanolotra ny tenany ho avotra hisolo ny olona rehetra” (1 Timoty 2:5-6). Toy inona moa ny zava-miafina maro asehon’ny Baiboly antsika ! Andriamanitra dia niteny tamintsika tao amin’ny Zanany… Eny, fantatro Izay inoako !