Alahady 17 Marsa 2024

Izay natahotra an’i Jehovah dia samy niresaka tamin’ny namany avy ; ary Jehovah nihaino ka nandre izany ; ary nisy boky nosoratana teo anatrehany, ho fahatsiarovana izay matahotra an’i Jehovah sy mihevitra ny anarany. Ary ho rakitra soa ho Ahy ireny, amin’ny andro izay hotendreko, hoy Jehovah. Malakia 3:16-17

 

Eo am-piandrasana ny Tompo

Any amin’ny pejy farany ao amin’ny Baiboly dia misy vavaka farany, fohy dia fohy. Hoy ny Fiangonana, amin’ny alalan’ny Fanahy : „Avia !” Dia mamaly ny Tompo Jesosy hoe : „Eny, avy faingana Aho” (Apokalypsy 22:17, 20). Ny fiverenan’ny Tompo haka ny olony ho any an-danitra, alohan’ny fotoana fitsarana izao tontolo izao, no fanantenan’ny Fiangonana, fitambaran’ny kristiana rehetra (Titosy 2:13).

Efa tany aloha elabe ny mpaminany no nanambara fa ho avy ny Mesia, nefa nandritra ny taonjato maro dia toa nangina Andriamanitra : tsy nisy mpaminany intsony. Nandao ny fahadiovan’ny finoana ny ankamaroan’ny vahoaka Israely, nefa kosa nisy antokon’olona vitsy, nitoetra ho mahatoky, niandry ny Mesiany. Ireo dia „izay natahotra an’i Jehovah…” ary nantsoin’Andriamanitra hoe „rakitra soa ho Ahy” (Malakia 3:16-17). Nisitraka ny fitiavany sy ny fikarakarany izy ireo. Ela ny fiandrasana, nefa tamin’ny fotoana voafidin’Andriamanitra dia tonga ny Mesia ! Rehefa nentin’ny ray aman-dreniny tao an-tempoly tany Jerosalema Jesosy Ankizy kely, dia noraisina zokiolona roa, Simeona sy Ana, izay niandry ny „fampiononana ny Israely” (Lioka 2:25, 36).

Taonjato maro no nifandimby, taorianan’ny nilazan’ny Tompo fa hiverina indray Izy, nefa kosa teo hatrany ny fampanantenany, ary ho tanteraka. Toy ilay nisehoany tao Betlehema, indray andro, dia hiverina ihany koa Izy, indray andro any !

Isika ve mba anisan’ireo miandry Azy sy mihevitra Azy ? Tsy tokony hiaina isanandro ao amin’izany fiandrasana izany ve isika ary hifampahery ? mahatsiaro ilay nolazain’i Jesosy hoe : „Ho avy indray Aho, ka handray anareo ho any amiko” (Jaona 14:3).