Alatsinainy 18 Marsa 2024
Izaho no Alfa sy Omega, ny fiandohana sy ny fiafarana. Izaho hanome maimaimpoana amin’ny loharanon’ny ranon’aina ho an’izay mangetaheta. Apokalypsy 21:6
Koa amin’ny fifaliana no hantsakanareo rano amin’ny loharanom-pamonjena Isaia 12:3
Ny faniriana ho sambatra dia fihetsehampo voajanahary iraisan’ny olona rehetra. Tsy mitsahatra mitady izany ny olombelona, porofo fa tsy sambatra izy. Tadiaviny hananana izay heveriny ho afaka mitondra izany, dia ny vola, ny fahefana, ny fahafinaretana ara-nofo, ny fialamboly, ny kolontsaina, sns. Nefa mihelina ireny fifaliana ireny, ka mamela ho tsy afa-po sy feno tebiteby. Solomona mpanjaka dia nikaroka ny fahafinaretana rehetra teo amin’ny fiainana ary tsy nandà na inona na inona ho an’ny tenany ; nefa rehefa nanao fehinkevitra izy dia nahatsapa hoe : „Zava-poana sy misambo-drivotra foana izany rehetra izany” (Mpitoriteny 1:14). Ny manala liana ireo faniriana rehetra azo heverina dia tsy mahafeno ny fo, fa vao mainka aza manamaina sy mandiso fanantenana azy bebe kokoa hatrany. Izany dia miezaka hanala hetaheta amin’ny antsoin’ny Baiboly hoe lavaka famorian-drano mitriatriatra tsy mahatan-drano (Jeremia 2:13).
Koa raha izany, ahoana no hahazoana ilay rano tena manala ny hetahetan’ny fanahy ? aiza no hahitana ilay fahasambarana maharitra ? Hoy Jesosy : „Raha misy olona mangetaheta, aoka izy hanatona Ahy ka hisotro”, „Na iza na iza no misotro ny rano izay homeko azy, dia tsy hangetaheta mandrakizay” (Jaona 7:37 ; 4:14). Jesosy mihitsy no loharanon’ny rano velona, Izy no manome ny fiainana mandrakizay. Ny hoe misotro amin’ny rano velona dia midika hoe mino Azy. Misokatra ny fanatonana io loharano io : tamin’ny sorona nataony teo amin’ny hazofijaliana Izy dia nanaisotra ny fahotantsika, izay nanakana ny lalana mankany amin’Andriamanitra.
Ianao izay mila fiadanana, famelan-keloka, ary fitiavana, raiso amin’ny finoana Ilay Zanak’Andriamanitra maty ho anao, raiso io rano sarobidy sy maimaimpoana io. Dia hihira am-pifaliana ianao, noho ny faharavoam-ponao (Isaia 65:14).