Talata 19 Marsa 2024
Mikely aina koa aho mba hanana fieritreretana tsy manameloka ahy na amin’Andriamanitra na amin’olombelona mandrakariva. Asan’ny Apostoly 24:16
Ny tsara no tadiavo, fa aza ny ratsy, mba ho velona ianareo. Amosa 5:14
Tamin’ny nahary ny olombelona Andriamanitra dia nanome azy fahafaha-manao zavatra maro, toy ny saina, ny fitadidiana, ny fihevitra… Noarìn’Andriamanitra ho tompon’andraikitra eo anatrehan’Ilay Mpahary azy ny olona. Nanomboka tamin’ny tsy nankatoavany an’Andriamanitra izy dia nahafantatra ny atao hoe ratsy. Ny hoe fieritreretana, ao amin’ny olombelona, dia ny fahalalana voatombana an-tsaina ny tsara sy ny ratsy.
Samy manana fieritreretana avokoa ny olona tsirairay : mahatsiaro menatra ihany izy rehefa manao ny ratsy, faly rehefa manao ny tsara. Nefa inona moa no antsoina hoe ratsy ? hoy angamba ny fanontaniana. Ankehitriny mantsy isika dia miaina vanimpotoana efa aneken’ny besinimaro ny zavatra nomelohina vao taona vitsivitsy lasa izay. Miova ny fomba amam-panao, ka tonga hatramin’ny fiantsoana ny ratsy hoe tsara (Isaia 5:20). Ao anatin’izany manodidina iainana izany dia mihavery tsikelikely ny fahafahan’ny fieritreretana mandray zavatra.
Miaina ao anaty tontolo efa zatra manazimba ny soatoavina ara-toe-panahy isika, ka mety tsy hiraika intsony. Ao hatrany ny fieritreretana, nefa tandremo ! fa mirona hanjary tsy mamaly intsony izy io, ary mety ho voadonto tanteraka mihitsy aza (1 Timoty 4:2), satria nilaozan’ny manodidina antsika ireo foto-kevitra ara-Baiboly. Andriamanitra kosa dia tsy mba miova ; madio loatra ny masony, ka tsy te hitsinjo ny ratsy (Habakoka 1:13). Ny hany fomba hihazonantsika ny fieritreretantsika hifanaraka amin’ny fihevitr’Andriamanitra, dia ny fampifanatrehana azy mandrakariva amin’izay lazainy antsika ao amin’ny Teniny ; dia ho azo antoka ny fieritreretantsika, toy ny fitaovana kolokoloina isam-potoana.