Alarobia 20 Marsa 2024
Jehovah ô, vonjeo amin’ny tànan’ny ratsy fanahy aho, ary arovy amin’ny olon-dozabe, izay efa nihevitra handronjina ahy ho potraka. Salamo 140:4
Fa efa namonjy ahy Ianao, ary ao ambanin’ny aloky ny elatrao no hihobiako. Salamo 63:7
Nogadraina i Josué, pasitera tao amina fiangonana iray any Afrika, ary tsy maintsy hovonoina. Tsy niato izy nitory ny hafatra manambara ny fitiavan’Andriamanitra sy ny famelan-keloka omeny. Nefa nampahafantarin’ny polisy miafina io ataony io ilay mpanao didy jadona mitondra ny firenena, ka nanome baiko hisambotra ilay pasitera. Fantatr’i Josué fa alohan’ny hamonoana ny gadra, dia ampijalijalina aloha izy ireo. Nitalaho tamin’ny Tompo izy hoe :
— Matahotra aho, ry Tompo ! ampio aho. Tsy matahotra ny ho faty aho tsy akory, fa matahotra ny hampijalijalina ka handà Anao. Mangataka aminao aho, ataovy mahafaty ahy avy hatrany ny kapoka voalohany.
Izao ny tohiny :
— Tampoka teo dia nisy hazavana nanenika ny efitranokeliko, ary nahare feo aho nilaza tamiko hoe : „Tsy irery ianao, fa miaraka aminao Aho”. Dia nanjavona tanteraka ny tahotro rehetra. Nandohalika aho, nidera ny Tompo. Nihira mafy aoka izany angamba aho, ka nivoha ny varavaran’ny efitranokeliko, ary notaritina polisy roa lahy aho hivoaka. Noheveriko fa tonga ny fotoana hahafatesako, nefa dia nanohy niresaka tamin’ny Tompo aho. Rehefa nahita ahy ny manamboninahitra, dia hoy izy tamin’ireo polisy : „Henonareo ve ny fomba nihirany ? Tena adala tanteraka io lehilahy io. Tsy misy dikany ny hamonoana azy. Atsipazo any ivelany any izy”. Fotoana kely taorianan’izay dia afaka aho !
Io kristiana io dia niaina toejavatra mitovy amin’ny ana maro hafa : „Jehovah hiaro anao, na mivoaka na miditra, hatramin’izao ka ho mandrakizay” (Salamo 121:8). Tsy niova ny Andriamanitsika. Azo antoka ny fiarovany sy fanampiany ny mpino tsirairay.