Alakamisy 21 Marsa 2024

Jesosy niteny tamin’ny olona indray ka nanao hoe : Izaho no fahazavan’izao tontolo izao ; izay manaraka Ahy tsy mba handeha amin’ny maizina, fa hanana ny fahazavan’aina. Jaona 8:12

 

Ny tena fahazavana

Ny fiarahamonina tandrefana ankehitriny dia mirona amin’ny fanilihana miandalana izay rehetra fenitra mifandraika amin’ny finoana kristiana sy izay eritreritra hoe Andriamanitra Mpahary. Miharihary ny fikatsahany hiala amin’izay rehetra toa mamefifefy ny fahafahany. Eo tokoa ny fivoarana sy ny fanatsarana ny andavanandrom-piainana, ho an’olona sasantsasany. Na izany aza anefa, dia miteraka tebiteby, fikorontanan-tsaina, ary tsy fandriampahalemana ny zavatra entin’ny fahaizan’olombelona sy ny fitadiavany fahafahana tsy misy fepetra. Mihamatroka ny vinavina momba ny hoavy.

Ny Baiboly, izay Tenin’Andriamanitra, dia toy ny fanilo ao anatin’ny tafiotra, toy ny fenitra mazava, mahery, ary tsy miova. Mampiharihary ny zavatra rehetra izy, sady mitondra ny hafanany ho an’ny fo poaka atin’ny olona tsy manana an’Andriamanitra. Izao no lazain’ny Baiboly antsika, momba ny olona : „Tonga maizina ny fony donto. Nandoka tena ho hendry izy, ka tonga adala” (Romana 1:21-22).

Miaraka amin’izany koa, ambaran’ny Baiboly fa tia antsika Andriamanitra. Jesosy Kristy, Ilay fanehoana ny fahazavan’Andriamanitra etỳ an-tany, dia tsy tonga mba hanameloka ny olona mikomy amin’Andriamanitra, fa mba hamonjy azy. „Izaho no fahazavan’izao tontolo izao”, hoy Izy. „Tao ny tena Mazava, Izay mahazava ny olona rehetra, tonga amin’izao tontolo izao” (Jaona 1:9).

Ekentsika hanazava ny fontsika ve io fahazavan’Andriamanitra io ? ekentsika ve hamela antsika hahafantatra ny fitiavan’Andriamanitra sy ny famelan-keloka avy aminy ? Jesosy irery no afaka manome antsika aina vaovao sy antony ahavelomana. „Fa izay rehetra nandray Azy dia nomeny hery ho tonga zanak’Andriamanitra, dia izay mino ny anarany” (Jaona 1:12).