Zoma 22 Marsa 2024
(Hoy Jesosy tamin’i Maria Magdalena :) Ravehivavy, nahoana ianao no mitomany ? iza no tadiavinao ? Jaona 20:15
Fa hampodiko ho fifaliana ny fitomaniany, ka hampiononiko sy hampifaliko izy ho afaka alahelo. Jeremia 31:13
Nitsangana teo anilan’ny fasana i Maria Magdalena, toy ny nataony teo anilan’ny hazofijaliana. Irery izy, ary nitomany. Novesaran’ny alahelo izy, ka tsy niraika akory, nahita ny anjely niambina teo amin’ny toerana nametrahana ny fatin’i Jesosy. Tsy nisy akony taminy io fanatrehana avy any an-danitra io. Toy ny famaly olona tsotra ihany no namaliany ireo anjely. Tsy tsapany fa ny fanontanian’izy ireo dia fiantsoana azy hivoaka tao amin’ny fahoriany. Niraiki-po lalina tamin’ny Tompony i Maria, ka te hahafantatra ny toerana nametrahana ny fatiny, saingy voagejan’ny fahoriany.
Niherika izy ka nahita an’i Jesosy nitsangana velona indray, nefa tsy nahafantatra Azy. „Hoy Jesosy taminy : Ravehivavy, nahoana ianao no mitomany ? iza no tadiavinao ? Nataony fa mpiandry saha Izy, ka hoy izy taminy : Tompoko, raha Ianao no naka Azy teto, lazao amiko izay nametrahanao Azy, ary izaho dia haka Azy. Hoy Jesosy taminy : Ry Maria ! Dia nitodika izy ka niteny taminy nanao teny Hebreo hoe : Rabôny ! izany hoe : Mpampianatra ô”. Napetrak’i Jesosy taminy ilay fanontanian’ny anjely hoe : „Nahoana ianao no mitomany ?”, ary nampiany hoe : „Iza no tadiavinao ?”, sady nantsoiny tamin’ny anarany i Maria.
Araka izany, Jesosy dia maneho ny tenany amin’ireo izay tia Azy sy mitady Azy amin’ny fony manontolo. Nitady Azy tany amin’ny maty i Maria, ka tsy nahita. Fa Jesosy kosa nampandre azy ny feon’Ilay Mpiandry Tsara, Izay mahafantatra ny ondriny sy miantso azy ireo amin’ny anarany. Teo no ho eo dia fantatr’i Maria ny feon’Ilay nanasitrana azy, Ilay narahiny, notompoiny, hitany maty nohomboana teo amin’ny hazofijaliana… Teo ve Ilay Tompony, velona, nitsangana velona indray ? Ny finoan’i Maria dia niaina ilay fifaliana faratampony nampanantenaina ny mpianatra, hoe : „Ny alahelonareo hody fifaliana” (Jaona 16:20).