Asabotsy 23 Marsa 2024

Ary nahoana no manahy ny amin’ny fitafiana ianareo ? Diniho tsara ny fanirin’ny voninkazo any an-tsaha ; tsy mba miasa na mamoly ireny ; nefa lazaiko aminareo fa na dia Solomona tao amin’ny voninahiny rehetra aza, tsy mba nitafy tahaka ny anankiray amin’ireny. Matio 6:28-29

 

Mampianatra antsika ny voary

„Ny lanitra mitory ny voninahitr’Andriamanitra ; ary ny habakabaka manambara ny asan’ny tànany” (Salamo 19:1). Ny voary dia boky mivelatra afaka ahitan’ny olona tsirairay ny sonian’Andriamanitra. Maneran-tany ny fanambarany. Tsy misy olona afaka hiteny hoe : „Tsy misy Andriamanitra”, na hoe : „Tsy afaka nino an’Andriamanitra aho”.

Nefa ny fitenin’ny voary dia mihoatra noho ny fanambarana hoe misy Mpahary Tsitoha Iray. Ampiasain’Andriamanitra ny voary, matetika, mba hampianarany antsika :

— „Mandehana any amin’ny vitsika, ry ilay malaina ; diniho ny fanaony, ka mba hendre… Mamory ny haniny raha fahavaratra izy, ary manangona ny fihinany amin’ny fararano” (Ohabolana 6:6-8). Tsy fampitandremana ve izany ? manoloana ny loza ateraky ny hakamoana, sy fampaherezana mba hiasa ?

— Jesosy dia mitaona antsika handinika ny lisy eny an-tsaha (andinin-tSoratra Masina androany). Ny fibanjinana ny hakantona voninkazo iray dia tokony hitarika antsika hitoky amin’Andriamanitra, Izay miahy ny zavaboariny.

— Mampahatsiahy antsika ihany koa ny mpaminany iray hoe : „Na dia ny vano eny amin’ny lanitra aza dia mahalala ny fotoanandrony, ary ny domohina sy ny sidintsidina ary ny vanobe koa samy mitandrina ny fotoana fiaviany ; fa ny oloko kosa tsy mba mahalala ny fitsipik’i Jehovah (na ny fitsarany)” (Jeremia 8:7).

Fampitandremana lehibe ho antsika izany ! Ny tsy fahalalana ny fihevitr’Andriamanitra tokoa mantsy dia mampirenireny antsika sy mampiaina tsy misy fenitra antsika. Ny tsy firaharahana izany fahendren’Andriamanitra izany dia mety hitarika antsika mihitsy aza ho amina fitondrantena tsy ankasitrahin’Andriamanitra, satria mifanohitra amin’ny lamina tiany napetraka eo amin’ny voary (jereo Romana 1:26-27). Ndao hitandrina tsara izay rehetra ampianarin’Andriamanitra antsika, mba hahasoa antsika.